Andininy
Protestanta Malagasy
9
Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|978B2B8B-6375-46C8-B84D-98BDFCDEBD31
10
Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4449211-BC6C-41DE-B7A1-9C89B33CB6BA
11
Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C94961F-2E4F-44B4-9102-F7A96EAD251B
12
Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F0B241A-974A-49B4-83E7-986344DADDB5
13
Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B73F30BA-9407-430E-BA9E-69460A85435E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany