Andininy
Protestanta Malagasy
1
Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67502693-9F36-4B9F-B36D-1779036E6353
2
Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B9E18F-91B7-424C-B5AA-DFF08E3C8583
3
Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD36EC11-A04E-4C08-9CEF-0F2755830F4D
4
Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A22A45B4-44A6-4608-A967-3BD973C57EED
5
Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D58B71F3-6E06-4510-B34F-F604B4BDFA67
6
Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo* eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo** [*Heb. azy][**Heb. tratrany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8771B2F-C716-47F6-90E1-561EA95E4137
7
Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1E21CC4-A7F1-490E-89D6-B57507D141CE
8
Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79B3359A-9D33-42D0-8D4B-FA9FE7048FFE
9
Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C66FD57-4268-47F4-AD98-DAAAFEDCE7C1
10
Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B51423FE-6793-4193-8E12-5CBAFAE965AB
11
Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada* sy mampidina** divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny, [*Gada = Zara, ary Meny = Vintana; samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][**Heb. mameno]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19280B76-20E0-4CA1-8EF8-E192BB5F0391
12
Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF7F8DF1-4888-4015-9018-BF8A24920E06
13
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29556587-D86E-46D2-9BCA-A6B45F290433
14
Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po* sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy**.[*Heb. fanaintanam-po][**Heb. fahatorotoroam-panahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBEFA562-0B9B-4769-86E8-7C794A6CD4A2
15
Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin'ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A03841F2-77E4-4C1E-BA21-C16649D97E4A
16
Ka izay miarahaba tena ety ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena*; ary izay mianiana ety ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena*, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCFF4148-2660-469D-A270-6DF5FB60D7FC
17
Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FAAA0C1-64BF-4196-8514-5F3C18F23733
18
Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BBBC524-01D6-42CD-A12E-66698A64FD43
19
Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6CA54A1-9057-4D42-A08A-E176076E7666
20
Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|947C3AE9-CAE7-46B7-B6B8-A901987B512A
21
Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D60FFC0-B952-4C6B-ACA8-CD25765DFC8B
22
Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09CCBDE4-BD88-49DC-908F-A2835AC534DB
23
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01F470CD-96D0-413A-AD8D-A311FC892204
24
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCED06E7-2ED3-4B43-A9FB-4C580F3861EF
25
Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EE98134-364F-4E02-AE67-9278424A7323
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany