Isaia 66: 1-24

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D71697-0D06-4DEC-B432-05AFCB566B5E
2
Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B9AC781-EE5E-4F22-8BAA-3B4D45AC06D9
3
Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny fahavetavetany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6CDFE53-AF57-4BDA-9B12-22FC32646263
4
Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FB28685-A518-4988-9093-D1E329739A30
5
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6BC641-86F8-41C5-B665-7FB10916DD98
6
Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0F8FF16-353B-456C-8CB6-F0B6568A48D1
7
Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|698BE0D3-3B34-4B1D-B9B5-3C165F4EB9F2
8
Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A9A2AB7-1773-4AFE-B7F3-943C8084CE27
9
Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84AFF2D7-0B37-4876-A8A1-9929C42119BE
10
Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9468E575-DEE5-408D-A9BB-373B735BABBF
11
Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22BC70A5-E027-4350-A8C6-5E352FF931CC
12
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F3AE73B-0651-433C-B7B7-9DFEEAA94CE3
13
Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92EFD35B-6784-4804-AB88-96B8A58198BA
14
Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|007D8C4D-A59E-445A-A210-31AEE7DBD6DC
15
Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FAA0CCD-D978-4AEF-9549-BF064F03F230
16
Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A7F51CF-AE50-43CE-88BE-7F66FAABA79D
17
Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA605490-C556-44ED-8CCA-2B5E295CF263
18
Fa Izaho dia hamaly* ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilrehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.[Na: mahalala]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A4B7C63-695F-4D3B-A840-647F8F34D50F
19
Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia*, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilizy.[Heb. Loda]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED04D0BA-1986-45ED-A648-822D43B134EA
20
Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilrehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B97BC2FA-CB0E-4A03-A029-55CE0F2D3CBF
21
Ary avy amin'ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA95190C-6FB8-4241-BFE0-ABAA5CEE0ADC
22
Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14711503-7D94-4DB1-91BA-73E2A6A909AA
23
Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|941BD2A3-377A-4BC9-8390-21E07AE2D110
24
Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin'ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon'ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11C0D526-2E48-4B0E-A5C6-949937902454
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany