Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: Ho an*'i Mahera-salala-hasi-baza**. [*Na: amin'][**Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana] 2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia. 3 Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana] 4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria. 5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe: 6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia, 7 Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata] 8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany] 9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy. 10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
|