Andininy Protestanta Malagasy 2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AAE3A7E-F1A3-4132-9514-1A0964BAE2A0 3 Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E11ECC65-2226-4FC3-A69A-2360D7E82BEA 4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|086D8834-1052-493B-8023-E64CC3372A0F 5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FE1AF1B-D159-48A1-8D1F-DACFDC3D43AC 6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89780805-5AB6-4171-8F5D-0AF9C476AC5C 7 Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony* (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8992E884-A692-454F-89DB-5C7E516B200B 8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C0212E-2BCF-47AF-81E5-B518C579520B 9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD191C18-710F-4883-9AA4-9CAB1BADBEE8 10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao and. 8] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E01D571E-1C25-4467-A320-EC83E817CE23 11 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45C00003-3ECC-4601-AAA7-D10006E60219 12 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD12BB8F-3A42-4A58-B65C-91720DB7069A 13 Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B409C5F-4D2D-49AE-B359-9FEFDDC17569 14 Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3A3DBC9-1FC3-4E64-A1B9-01FFB8658B4E 15 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49AE7239-70C6-4002-B6A9-895FE551D5E6 16 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D476C36-492A-4B33-A8C4-9BBBA38AC5CD 17 Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77C7C56D-FD1B-4430-8646-E55FE81DEFE1 18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5DF6AFE-BB0A-4854-8038-6241EB8F0511 19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF3EC37-DB6A-4549-AC48-92D60A65F8D3 20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA91BE5B-8D15-4C3B-AE99-B0D7BEF7D31B 21 Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny mpanjakany sy Andriamaniny**, ary dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin'ny anaran'][**Na: ny andriamaniny] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|017F4221-FD35-4575-B503-40D73D80C1BE 22 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7E3A7D0-C56B-4D6D-9C96-F94C84EAED75 23 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FFA5B90-8974-4676-A58A-DB23D821C797
|