Isaia 8: 16-25

Andininy
Protestanta Malagasy
16
Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D476C36-492A-4B33-A8C4-9BBBA38AC5CD
17
Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77C7C56D-FD1B-4430-8646-E55FE81DEFE1
18
Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5DF6AFE-BB0A-4854-8038-6241EB8F0511
19
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF3EC37-DB6A-4549-AC48-92D60A65F8D3
20
Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain'ny olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA91BE5B-8D15-4C3B-AE99-B0D7BEF7D31B
21
Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny mpanjakany sy Andriamaniny**, ary dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin'ny anaran'][**Na: ny andriamaniny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|017F4221-FD35-4575-B503-40D73D80C1BE
22
Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7E3A7D0-C56B-4D6D-9C96-F94C84EAED75
23
Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FFA5B90-8974-4676-A58A-DB23D821C797
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany