Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5A75ED9-6B5F-4316-931A-01A91BEDB723
2
Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0049C882-FAEE-4776-AE02-BB4BCCB6BCA5
3
Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26DC2808-E594-4E52-9153-235F0021604B
4
Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|859029E8-F96D-4017-AD80-216802F20B59
5
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3510F138-9D36-4C3B-88BB-A01DF37199EE
6
Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FF3EBF8-374D-4634-953E-580465B81D20
7
Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45FB304B-008A-48DC-AA90-F7B80EAF6B9F
8
Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79AC51B3-16C3-4654-8B1E-9574E523AC95
9
Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CE22B6-30AA-4F02-8003-AAFE97BB430A
10
Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5D93338-3D4E-4365-96B0-881AF3DC3FBA
11
Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4C2CE85-2A2A-49DE-9A1C-AC2739E634FA
12
Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E76B25F1-1BFB-4EE3-B352-E165F77315D3
13
Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7056108E-FB82-4074-9C7A-90CCA12BCEEA
14
(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79D7C552-B445-4986-9B19-10FFFE6D804C
15
Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1332A714-CE3B-414C-A8F2-F018C1BE71FE
16
Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE6B5D57-E3CB-4042-8F4F-2B8821AB5B2F
17
Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF326C4E-5A0E-49CC-954C-54E09AB8D752
18
Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5AC796-1F27-418A-A61B-B5A57341B2D3
19
Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64B6F890-DA42-4B8E-95E0-40673BFA001B
20
Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3641BC5E-2EAE-4376-892F-79675083A216
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany