Andininy Protestanta Malagasy 7 Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45FB304B-008A-48DC-AA90-F7B80EAF6B9F 8 Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79AC51B3-16C3-4654-8B1E-9574E523AC95 9 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CE22B6-30AA-4F02-8003-AAFE97BB430A 10 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5D93338-3D4E-4365-96B0-881AF3DC3FBA 11 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4C2CE85-2A2A-49DE-9A1C-AC2739E634FA 12 Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E76B25F1-1BFB-4EE3-B352-E165F77315D3 13 Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7056108E-FB82-4074-9C7A-90CCA12BCEEA 14 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79D7C552-B445-4986-9B19-10FFFE6D804C 15 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1332A714-CE3B-414C-A8F2-F018C1BE71FE 16 Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE6B5D57-E3CB-4042-8F4F-2B8821AB5B2F 17 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF326C4E-5A0E-49CC-954C-54E09AB8D752 18 Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC5AC796-1F27-418A-A61B-B5A57341B2D3 19 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64B6F890-DA42-4B8E-95E0-40673BFA001B 20 Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3641BC5E-2EAE-4376-892F-79675083A216
|