Jeremia 1: 1-19

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AD7D8F2-AAC1-4773-87DE-E991E6FD109D
2
izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B54CD0E9-92A6-485F-BA98-654D236E04FF
3
sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5738417-8477-4695-B743-12EED5B61472
4
Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6F336F0-66BF-4169-8BE9-7E32A8865405
5
Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CDF3936-5236-4336-9A83-91E431F30971
6
Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7195F76-F18B-495C-9680-1EAEB1F4B2A9
7
Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AC4711B-21D0-4CEE-A363-DB2A3D7E6D0F
8
Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AC791A9-576B-4510-A804-AE4B6E9042BE
9
Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F300A014-196B-47D0-8796-DA63E5D40B06
10
ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B12FBAA7-7DA2-4E17-9265-A5BC1B40832A
11
Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro[ Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe hazo mahatsiaro, satria mamony alohan'ny hazo sasany. ] no hitako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1878A679-B274-47C2-AF74-EAC7504B6037
12
Dia hoy Jehovah tamiko: Marina no ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A792F435-2916-40F2-94F4-EF235E70A5F9
13
Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A6D995D-D979-49E5-9FE5-50272DFE82C6
14
Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C857E0F-E848-44A2-9D25-212BC00CB01B
15
Fa, indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny màndany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F731C9AD-4CFB-4BCC-A2D2-A14D6124667E
16
Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|620541A6-8FE6-4C29-81F6-581AEA85DB71
17
Fa hianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52FA574D-6CE6-4FD6-A108-1FECC4623888
18
Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimànda sy andry vy ary mànda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20E0E85C-57C3-4B9E-82A4-F6068C1EBA20
19
Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonja anao Aho, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73EB7766-EF3D-4646-916D-C7FCB9EBC200
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany