Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D5E4EC0-0E55-4F99-9A5C-EA0F2377DF56
2
Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao hianareo, Ary mitenena amin'ny Joda Sy amin'ny mponina any Jerosalema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B9C2A6F-2151-4FFB-AA2C-F59A67A5AFF3
3
Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ho voaozona izay olona tsy mankatô ny tenin'izao fanekena izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50971CB5-4811-496B-9871-BE6FCCCD1E2D
4
Izay nandidiako ny razanareo Tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, Dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, Ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, Ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, Ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D574E88F-682D-468D-943A-93D6CC9B1284
5
Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, Dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely Tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie,[Heb. Amena.] Jehovah ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88A12FF0-4674-4B88-81AC-CEEB481FE4E8
6
Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda Sy any an-dàlamben'i Jerosalema izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, Ka ankatoavy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA6FDAC6-5C9D-4952-96EA-51940451227A
7
Fa nananatra mafy ny razanareo Aho Tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Ka ambaraka andro-any; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E6B6193-3AEF-43AA-BE4D-9F98D04C6496
8
Nefa tsy nihaino ny feoko izy na nanongilana ny sofiny, Fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, Izay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4552C087-CBBA-474E-8638-C1A4D9769A61
9
Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda Sy amin'ny mponina any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|368A576E-21B7-4E00-96C6-67C0F7114BB6
10
Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, Izay tsy nety nihaino ny teniko, Ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, Izay nataoko tamin'ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7627FC8-8998-4F43-8DD6-9B003DCDB969
11
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, Dia tsy hihaino azy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68BF1146-A56C-4C00-9CEC-A4706D8F946B
12
Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema Ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D59AD6DA-B909-4724-BC1C-F67DC09DEC49
13
Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao; Ary araka ny isan'ny làlamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra, Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D117B098-BF86-422F-8471-112B4AE170B4
14
Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity hianao, Ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany Dia tsy hihaino azy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DD14794-904C-4488-B381-A8F24FC96BA0
15
Hanao inona ao an-tranoko ny malalako Fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, Ary ny hena masina dia esorina aminao;[Na: [Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?].] Raha azon-doza hianao, mifalia ary!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5097D88B-438C-4E2A-8136-1EE91C4C2F41
16
Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te hizaha No nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, Ary notapahina ny rantsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B7361AB-50FA-42F2-8A17-E94502E28C7A
17
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, No nanambara ny loza hanjo anao, Noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy, Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C12AC483-4321-482B-8FAC-2A4D27F20686
18
Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin'izany dia nasehonao ahy ny fanaony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|947F6ACF-7996-4D35-B5A6-F090AA3A62CD
19
Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony hamelezana ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, Ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, Mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAE34510-E9FD-48D8-A1A8-F97E340DB401
20
Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina Ka mamantatra ny voa sy ny fo -- Aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F6558F-B467-4E2C-91DE-CE221CFA2609
21
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tànanay hianao, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CB9865D-2A26-4D98-87AD-53A9B79DB53F
22
izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako izy, Ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, Ary ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ho fati-mosary;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FFFCE8D-DC0F-439C-8FE5-5AFDB96E1C57
23
Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho Amin'ny taona hamaliana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F922053-272E-4A8F-B056-D6A68FFD1D30
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany