Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCFD4F1C-6542-4B3A-98C5-2CD2A5D6D5B8
2
Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|402FD6CA-7EA8-4B53-889F-B1E7DEF99EE2
3
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A586EBE8-D410-488D-8EF4-B1FB0ECC9382
4
Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangàna, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FF7145C-EAAC-42E7-B67F-0AC31A1F45DC
5
Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D43F2FEB-EE75-4B4D-A3CB-28DDB0238825
6
Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangàna, ka mankanesa any Eofrata, ary alao ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B033F32-335E-47A8-874F-7405C30E1138
7
Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko teo amin'ny fitoerana nanafenako ary ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10E967C2-E5A2-47A7-80AB-1811944D7EDB
8
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F68091B-94F3-410E-9FE3-DB59FEDDE888
9
Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda Sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD9645C9-1769-4865-859D-0E9E6011998F
10
Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, Fa mandefa amin'ny ditry ny fony Ka manaraka andriamani-kafa Mba hotompoiny sy hiankohofany, Dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0554104C-3C84-4C22-96B8-D48F683D681F
11
Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona No nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda tamiko, hoy Jehovah, Mba ho olona sy anarana Sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|256E7063-0F0C-4D11-8B95-382A3A11B0C3
12
Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B891D0B-6662-40D5-9D14-81C7B7014C7C
13
Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony[Heb. feno.] ny mponina rehetra amin'ity tany ity, Dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, Sy ny mpisorona sy ny mpaminany Ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AAFC181-62C5-4B02-B2A0-3860FFA3F31A
14
Ary hampifamohiko izy, Dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5DBCB18-777A-4665-A5C0-D3AC7D623745
15
Mandrenesa ka mihainoa, Aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF4EDF19-A709-40DC-AC27-3345DD7F2F0B
16
Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, Dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, Ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, Ka raha miandry ny mazava hianareo, Dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, Ka hampodiny ho aizim-pito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20A7C427-FCA8-4CAC-BAC1-1BC7200E07C1
17
Fa raha tsy hihaino izany hianareo, Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, Satria voababo ny ondrin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B35C565-0200-4826-8550-AB3013CD0FEC
18
Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, Dia ny satroboninahitrareo tsara tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83BE1645-00D6-4B74-8A6B-C701F03BC553
19
Voarindrina ny tanàna any amin'ny tany atsimo, Ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, Eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3125AF2-EE8E-431B-9F7C-ED5684DC31DE
20
Atopazy ny masonareo, Ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, Dia ny ondrinao tsara tarehy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE92249-6A62-4466-B908-134D18077D35
21
Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, Fa hianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9F136D5-3DEB-4C8E-819F-4D7A3E82E7F8
22
Ary raha manao anakampo hianao hoe Ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny morontongotr'akanjonao Sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F6FA2A-65CF-4287-9BE2-A05E3ACE5E3A
23
Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, Ary ny leoparda[ Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra. ] va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa Hianareo izay efa zatra nanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AE93176-F774-463E-B651-C68F7567C0FF
24
Koa dia haeliko izy Toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAF5109B-BB3C-4826-BF85-4075BE3DCB6B
25
Izany no lokanao, Dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy hianao Ka nitoky tamin'ny lainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6690C0D5-4D35-4BC1-8936-A6A1FDC0BD24
26
Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, Mba hisehoan'ny henatrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F31DBB4B-013E-46AA-AB49-2CE7B9964C2B
27
Ny fijangajanganao sy ny fanenonao,[ Izahao v. 8. ] Ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, -- Eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetana ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E329B7F0-CFCE-4AF5-84D2-D19BCB9341BD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany