Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD6BFA37-52EA-4ACA-BC3F-560E365101F6
2
Mitsangàna, ka midìna ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC59DDC-90BB-44EA-9BA0-E9D35FBD2165
3
Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6583AAE8-6517-4DAD-96DB-66F64F957FF6
4
Ary raha simba ny vilany ataony -- araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy -- dia ataony vilany hafa indray izany, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DE15A7B-E86E-44F2-B8F0-4A1D3451D746
5
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7F92932-0465-4377-BAC6-BE34D8B08DAD
6
Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tànan'ny mpanefy aza, Dia toy izany hianareo eo an-tànako, ry taranak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5326E5A2-557E-415B-AE62-6928495FAB0C
7
Vetivety[Heb. indray mipì-maso.] Aho dia milaza firenena sy fanjakana Hongotako sy hazerako ary horavako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36F66533-3593-4A45-88A3-B37B280F5B40
8
Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, Dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D262F846-7918-4BF4-A32B-87796842D597
9
Ary vetivety[Heb. indray mipì-maso.] kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana Haoriko sy hamboleko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C47BA4-C437-427C-922B-02C8CB69E3E5
10
Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, Dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|344433EB-6399-46A0-ABA6-347AEF22D6AC
11
Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo Ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny làlany ratsy avy hianareo, Ary ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4626D9C3-353E-42E7-9C23-DB0AACA8BBD8
12
Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay; Eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB1D4D6-A07A-4622-BE75-515F55E29084
13
Koa izao no lazain'i Jehovah: Anontanio any amin'ny Jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virjina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D9B0A8A-3A36-438D-BF77-5043BD570BFC
14
Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny orampanalan'i Libanona, Ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7FC0C68-F062-4069-8FB6-488D99367D44
15
Fa efa nanadino Ahy ny oloko, Ka ho an'ny sampy[Heb. zava-poana.] no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny làlany ireny; dia ny làlana fahagola, Handehanany amin'ny sakeli-dàlana madinika, dia amin'ny làlana tsy voavoatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1494025E-4697-4E01-A7E3-205EB0677F94
16
Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampitsiriritra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EA18077-F167-422D-BDBD-7AF13320EBBF
17
Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana No hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, Amin'ny andro hahitany loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D55F3953-38F7-41BB-BA1F-5B82E31690FD
18
Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika[Heb. lelantsika.] ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D94FB0B2-B9C8-4AB6-B2CA-FD8C416B6175
19
Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1222D68D-13DA-41A8-A276-E571C8AC525D
20
Ratsy va no havaly soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy Hampiala ny fahatezeranao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92582F70-323C-4FAE-81CF-8264661175F7
21
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, Ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, Ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE9F3454-943B-4CD8-AE59-11C3842457A4
22
Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, Raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy Sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74159BBA-FAB2-4938-9CE7-4C9B13B5F0B0
23
Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, Fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9840AA0-EDC5-49F5-B33B-1433E491B93F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany