Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6588FFA-F966-403C-B020-87468108D4AD
2
Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony hianao mbola tanora, Sy ny fitiavanao, fony hianao vao nampakarina. Dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, Teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D5004DF-BFD2-4C82-A75E-884821DB1CDC
3
Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely Sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, Ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03607793-DE68-4374-BEB5-196EEE4B9664
4
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, Sy hianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352992FF-F5A5-4A10-8F5C-09991D2B6CA7
5
Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, No dia nanalavitra Ahy izy Sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4949B234-91A6-43C8-9371-64A58CF36126
6
Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta Sady nitarika antsika tany an-efitra, Dia ilay tany foana sady be lavaka, Tany karankaina sady aloky ny fahafatesana; Tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26D08ECF-0E45-465D-844D-C9CCA5CB6AA6
7
Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, Mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra hianareo, dia nolotoinareo ny taniko, Sady novetavetainareo ny lovako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71D2D7C7-ED11-4BC9-BE59-50B4F69EE16E
8
Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra[Heb. mpiandry ondry.] koa nanota tamiko, Ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala Ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A928DD6-7BC4-48BC-BE86-D890ADF701E4
9
Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, Sy hiady amin'ny zafinareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ADC1BA4-740E-4BFA-9842-4170D9E9C0E9
10
Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, Ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, Dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9710AFA5-4797-4BF9-AF03-7F3F3C1EBDEC
11
Moa efa nisy firenena nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B735817B-9638-4290-922C-13A95A42EDF1
12
Talanjôna amin'izany, ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, hianareo! hoy Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5830207-FEA5-47EF-A7A7-D764B15E2A9C
13
Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy Ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCB58E5B-827E-4551-819D-C575B5D0DF69
14
Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B38A9F98-6654-4142-997B-48717EAF779F
15
Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo Ka mahatonga ny taniny ho lao Nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7200EB6-6178-4635-8EC0-AB7009642778
16
Ny mponina tao Memfisa[Heb. Nofa.] sy Tapanesa aza Efa nampangadihady ny tampon-dohanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CD66DBC-3C98-4D62-97FA-B959F5C41D12
17
Moa tsy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao Tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dàlana va No nahatonga izany taminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDABCB8A-0A12-4EFD-AE84-1CF62291475A
18
Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny làlana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora?[Neily.] Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny làlana mankany Asyria Hisotro ny rano amin'ny Ony?[Eofrata.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C2B2F25-F6D3-447F-8020-4A39F885FFF4
19
Ny haratsianao no anafaizana anao, Ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao Sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|643B428D-41C0-4EF7-B056-D2872F26790A
20
Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao Sy efa nanitosanao ny fatoranao, Ka hoy hianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina Sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra No nandrianao nijangajanganao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A25D0FE0-6354-4B02-BA2A-63CB174AAD25
21
Fa izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, Dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy hianao Ho voaloboka hafa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3388C17-F4FC-445D-93A8-FC45E06F2E79
22
Fa na dia misasa sirahazo aza hianao Ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, Ny helokao dia mbola voasoratra[Na: maloto.] eo anatrehako ihany, Hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA86C998-DAE7-46C6-8E89-82855F12DFBE
23
Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, Tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao teny amin'ilay lohasaha, Fantaro izay nataonao, Ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10F92C5-F103-45B9-9336-8E7F07E0315C
24
Sy ry boriki-vavy dia tamàna any an-efitra, Izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaizinany -- iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D30559A-7D87-4194-A5C2-58DF875F1F12
25
Aza esorina ny kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy hianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hala no tiako, Ka dia hanaraka azy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00D76E10-A23A-42FA-90EC-5D763B9342BD
26
Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, Dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, Eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny Sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33E5D582-1D3C-4FF4-81D0-8122F70A6955
27
Dia izay manao amin'ny tapakazo hoe: Raiko hianao, Ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|795C811E-870A-429A-AFAA-6A546154A5BB
28
Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao; Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2AE21D8-D736-4B7D-B81E-40E87B447231
29
Nahoana no efa mifandahatra amiko hianareo? Fa samy efa niodina tamiko hianareo rehetra, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3EA45D6-AA10-4ED1-A240-2F7C713019A7
30
Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana[Heb. nihinana.] ny mpaminaninareo, Toy ny liona mamiravira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E1CB96E-DB9C-49F2-9336-A7811627CD05
31
Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, Na tany maizim-pito?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah.] Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay Ka tsy hankany aminao intsony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0313D164-B876-4089-BC6D-78283DA352A5
32
Hanadino ny firàvany va ny virijina, Na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798F4FEF-85D6-4A26-A0CC-6EAD8F6CAB5E
33
Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, Ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A002B20A-7F11-4892-A5B1-41A25332C779
34
Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, Tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC75F5B6-B961-471D-8DEB-710A350FC064
35
Nefa hoy hianao: Tsy manan-tsiny aho, Efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany, Indro, hifandahatra aminao Aho Noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3242989B-CC60-425B-BEA8-679BECA54696
36
Nahoana hianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa hianao, Toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6832EFFF-7351-43EE-B8EA-1060BD59FE2C
37
Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tànana hianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, Ka tsy hambinina amin'ireo hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9E7FEE1-7107-43AF-9BE5-23DD4CA5272D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany