Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Pasora, zanak'i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i Jeremia naminany izany zavatra izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F36F7BE-C947-4163-8E24-7713CD4723E2
2
dia namely an'i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony eo, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B4F3B91-21CA-4F57-ABD0-77E149A248E5
3
Ary nony ampitso, dia nesorin'i Pasora tamin'ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon'i Jehovah hoe Pasora[Pasora=Fiadanana manodidina (?)] ny anaranao, fa Magora-misabiba.[Magora-misabiba=Fampangorohoroana manodidina.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3A85D7-B159-4955-A8FF-414B27198022
4
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra hianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C744485-35CF-41DA-A4B4-0DB0644AB0BE
5
Ary ny harena rehetra amin'ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan'ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33D7A74F-8A20-4B7E-8072-40355736CC02
6
Ary hianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona hianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin'ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF386C2-C523-4066-AEAE-B2B261456FA1
7
Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|411AA496-3050-446A-8193-C2B6DFF8B669
8
Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho; Eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan-andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EC2AEE0-B80E-4255-9B6E-28CB28927F79
9
Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho Na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60595087-9AF1-427A-BB26-085F7C91C526
10
Fa reko ny endrikendriky ny maro -- Misy fampangorohoroana manodidina -- Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako Ka manao hoe: Angamba ho voataona izy, Dia horesentsika sy hovaliantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E6C1A97-5A18-4691-87AC-596CF4DA71B4
11
Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, Ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry, --[Na: tsy ambinina.] Fahamenarana mandrakizay izay izay tsy hohadinoina izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77204555-98F9-4ECF-8C29-A20711E17988
12
Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo -- Ho hitako ny famalianao azy, Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|816471CD-AF2B-4DB5-A695-01188E27B440
13
Mihirà ho an'i Jehovah, Miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny tànan'ny mpanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B04EC8A7-BE90-479D-A64E-E66AA3191A1A
14
Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E70FF6D-2F5F-4E66-9FD8-B8655A6D7C04
15
Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin'ikaky nanao hoe: Tera-dahy hianao! Ka nahafaly azy indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20E34DEF-9B04-443E-95F0-B6CC5BC49059
16
Aoka izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan'i Jehovah Ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina Sy akoralava nony mitataovovonana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17D20B93-4972-4FCB-83CB-FDD1593D7E5F
17
Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, Hahatonga an'ineny ho fasako, Ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD74FDDC-3CB6-4602-92D3-FD9F8701444E
18
Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo; Ka ho lany aman-kenatra ny androko!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF362309-360B-4754-A700-EA8F90F668C2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany