Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B84D88B3-D8EC-46A4-8F7C-C90DE1611C39
2
Masìna hianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; fa miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona; angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D7CF3D9-6495-48B9-AA1F-11A04D652C4E
3
Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|574F2876-55F2-4C19-912B-341E1A17BCE1
4
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tànanareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny mànda amin'ny mpanjakan'i Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan'ity tanàna ity ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC97F7C7-7B85-457C-B18C-D3053DD2B891
5
Ary Izaho no hiady aminareo amin'ny tànana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E63B0B72-7EA0-4AD7-9D6E-9296E10E674D
6
Ary hamely ny mponina amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C5B5B3-9A59-4E26-B76A-D2F754DAD432
7
Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B918B71-1605-4687-A3B6-DD6FB03C9AE7
8
Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny làlan'ny fiainana sy ny làlan'ny fahafatesana:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|962F796F-0CFF-44BF-BB5E-4D868585B223
9
Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB6FEE1-6960-4495-B12C-EA308891645E
10
Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9622D20-48B4-4AE0-A1CA-A522BBCFAF7D
11
Ary henoy ny tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A296B40-32DC-43D0-915A-09A3FFA3A3FB
12
Ry taranak'i Davida, izao no lazain'i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin'ny tànan'ny mpampahory ny olona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF42ABAB-7708-49C4-9B7B-F9D7E1EF8443
13
Indro, hohatoniko hianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia hianareo izay nanao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5C72586-9217-42CF-874C-FAEB9C790469
14
Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDE0CF5C-D988-4C52-8512-DA03088D3668
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany