Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BEC1939-7F87-4EFA-99B5-3114F465826F
2
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, Fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako hianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo, hoy Jehovah
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB2C18BF-2535-4F58-9C23-19CA8D06A003
3
Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa Avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy, Ka hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, Dia hitombo sy hihamaro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1053D17-055F-4165-A38C-AABC45D7C1C7
4
Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, Ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, Sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|501F7EDF-A79E-43B2-B2FF-93A49F830046
5
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana[Na: Solofo.] marina ho an'i Davida, Ka hanjaka Izy sady ho hendry Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DB286F8-A8D2-4E41-87F3-DDF3DB884290
6
Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, Sy handrian'ny Isiraely fahizay, Ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AE34C52-D32E-46A2-815E-F419E295BA18
7
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDBD13E-B1AB-4A97-8CE4-6251A3336778
8
Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izy nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra Sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD57A24A-AC8F-41D2-939A-99946725CA0B
9
Ny amin'ireo mpaminany. Montsamontsana ato anatiko ny foko, Mangozohozo ny taolako rehetra, Toy ny olona mamo aho, Ary toy ny lehilahy leon-divay, Noho ny amin'i Jehovah Sy noho ny teniny masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0772216C-9AFC-4CD2-8032-E5B1361E65AA
10
Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, Efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'[Heb. làlan'.] ny olona, Sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|689D4DB4-C6AB-46B1-BEAC-C8A6C706A49E
11
Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy[Na: ratsy fanahy.] avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako tao ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1918B039-897D-423E-AF1C-EBCCAABCB9D7
12
Koa dia ho toy ny làla-malama amin'ny aizim-pito ny làlany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20376006-5AB9-458C-803E-6F6E8EB91AAA
13
Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy Ka nampivily ny Isiraely oloko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E89DABA-72FF-4491-92E5-7658908ED91C
14
Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy Sady mampahery ny tànan'ny mpanao ratsy, Ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, Ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F8636F2-1225-40AE-B13A-05D60C70E06F
15
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy Sy hampisotroiko rano mangidy, Satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B9A4F64-0E34-4FB9-A902-0C504359439D
16
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, Fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, Fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26DE915A-F8B3-4162-A64D-C1AC2EE8AD3C
17
Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana hianareo, -- Ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C94C1E77-206D-4733-B97C-A54078309BDC
18
Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah Ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1DA2AF6-9629-4847-A99D-07465C1BD3A2
19
He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana Sy ny tadio mitambolimbolina Ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6F63AD3-5ECE-4368-8B14-3F52F3A96EFE
20
Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka Ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A564FEB-B7D1-4DBA-8698-3F59CAD9DF81
21
Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, Kanefa nidodododo ihany izy; Tsy niteny taminy Aho, Kanefa naminany ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46D5D7C8-8FF7-41A2-9524-248922CD147D
22
Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, Dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy Ka namerina azy hiala tamin'ny làlany ratsy Sy tamin'ny faharatsian'ny nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81A2B35D-EFF8-43B8-9D20-7A343D6D363B
23
Moa Andriamanitra ety akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B8A115F-59F7-4A12-B7CB-45A7FB2249B1
24
Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va Ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|051842FF-A751-4669-BF2C-496D63C57A42
25
Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1821ED18-A2DF-45E5-B01D-3C3C295E361F
26
Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga Sy maminany araka ny fitaky ny fony va
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49FF09B4-CB8E-4BCB-ACC5-BF9D9BDCFD7D
27
Ny hampanadino ny oloko ny anarako Amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, Toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|569F60D7-83FC-4105-BE29-68AB153B55AE
28
Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, Ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9342A0B-5C1B-4838-A3D1-B2134DB1C5B8
29
Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, Ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C4538AB-45AE-4791-88D1-BCD29AE295D6
30
Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, Izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|801ACA06-102E-4D77-AADB-14A18D8A6020
31
Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, Izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B5D35EB-51AA-4777-9768-BF720562D91A
32
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, Ary izay milaza izany ka mampivily ny oloko Amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, Ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDDD5708-B84C-423B-8C56-D9F5007ED8DB
33
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, Ka manao hoe: Inona no entan'[Na: faminaniana ny loza.] i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana[Na: faminaniana ny loza.] -- Hariako hianareo, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D4FF7C8-9C1E-4493-AF51-8A759AC687E2
34
Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, Izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah, -- Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69997421-F0C5-4C17-AD12-0FAF2F373786
35
Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy hianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E18A436B-B636-421B-A99C-15B757253090
36
Fa ny hoe Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'[Na: faminaniana ny loza.] ny tenany, Satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, Dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8642B2DC-DF43-4DD8-B262-313AA9FE5D0C
37
Izao no hanontanianareo[Heb. hanontanianao.] amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE7BC63C-1F1C-4D6A-AECA-6C3954046EC3
38
Fa raha hoy hianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe Ny entan'i Jehovah, Nefa efa nanirahako ihany hianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1368299E-3F39-4ABA-A0B2-8F12F8483693
39
Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho Sady hanary anareo Mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo Tsy ho eo anatrehako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43B56F33-B71F-43DA-BAA6-18AD51EE22ED
40
Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay Sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4F439FC-A372-45CC-8AB9-E3F5F86D1A8C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany