Andininy
Protestanta Malagasy
1
Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB383A5D-61F8-4946-9B6F-F7328C9D1B4C
2
Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialintaona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71D384A6-7297-4E0B-A195-78E7DA4FF4D7
3
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DEC9172-56CE-495C-BBBC-6A83135F2649
4
Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|214376BC-11C4-41AE-B6DA-65FA1BDA1556
5
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05B59D26-9A7E-421D-B072-E81253B262A8
6
Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, fa tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C48F98-8332-4E2F-B677-00D35484F5D7
7
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0DE8233-238B-4279-B984-136B0E65C328
8
Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37F512E9-7235-4BB1-A66F-1DA8AD65F6C5
9
eny, hatolotro ho mpanjenjena[Na: ho fampangovitana.] sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A32F6CC4-6610-4D73-AA0A-D447396097D3
10
Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3DE2410-5751-4D38-A088-BF720987D5C6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany