Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda -- dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAA91C8D-DCFC-444D-B2EA-01251A132FDE
2
dia izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra tany Jerosalema hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4034EF9-99D4-41FF-BFD3-182190C0531C
3
Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka andro-any, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5317FA55-C240-4DA9-902E-C6AD5EB6DCE1
4
Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka -- nefa tsy nihaino hianareo, na nanongilan-tsofina hihaino -- hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AC4B78F-1A62-4B4C-82DF-036943CCFB94
5
Samia miala amin'ny làlan-dratsinareo avy hianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D24E26A-1DBB-4A68-992E-2F2BF1649CFA
6
Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tànanareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|738BBEF5-074D-4073-A615-3AA59A5E2A7C
7
Nefa tsy nihaino Ahy hianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tànanareo hahitanareo loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|688A03C8-C34D-4C2E-B6C3-4FE689DFA013
8
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B24A1F02-218F-43E1-B0DC-474F78DAE9BA
9
dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa[Heb. hataoko herema.] ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6108ECAE-F29B-45B4-9A6F-1CF4F6C577FF
10
Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C8E1050-C879-4E16-9F4A-301871C56B2F
11
Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A54822E-2AC0-439F-80C6-664ABC73BE6C
12
Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C4C532E-19B2-47AF-8B6F-E21F4CB6652D
13
Ary hotoviko amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DC9ED00-7F83-4501-BF37-F8FF5B1D0764
14
Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe; ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B58D0E5F-B755-4095-B97C-4585934E4AE9
15
Fa izao no nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso ety an-tànako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC6E0357-168A-4D87-A99B-583DB34072FE
16
Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampamelezako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|006ED0D8-6C0F-4235-A99B-ED074F26FBE1
17
Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan'i Jehovah ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD0061E-160A-4CD8-967F-6C3CAAFF7170
18
dia Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86A1D4AD-A1F9-402C-965F-F3B4CC598D08
19
ary Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFD08B23-7288-4F9E-B2C5-27BE7ACFE1C9
20
ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E93BAA61-E36C-415C-B019-320C3BB6BCB9
21
ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F92F61CF-206A-43BB-A2C9-5644525D73C0
22
ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy[Na: amoron-tsiraka.] any an-dafin'ny ranomasina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFD10C07-946F-4E7C-96D3-CE9E14F5F04F
23
ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1371A8E8-6707-4D85-8124-5A5F207AF0B7
24
ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C602CD85-A5F1-4210-AD49-93E03006C85A
25
ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1E2BF5C-EDC4-4DDF-872F-3FD8034704BE
26
ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay ety ambonin'ny tany: ary ny mpanjakan'i Sesaka[Sesaka = Babela.] koa dia hisotro manaraka ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B264F037-3230-4BBF-93E0-3BCA0349E154
27
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa hianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony -- noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E5E0146-C52C-47CB-BD4B-9E6F817878E9
28
Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tànanao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5FFE1CC-8A4B-4EA0-9979-367765547E16
29
Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va hianareo? Tsy ho afaka mihitsy hianareo; fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D90E3628-0CBE-426F-8D6A-7405BBA9D4E6
30
Koa maminania aminy hianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony Ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, Eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy Ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, Hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E35478-C5B9-4B75-9D0C-0B9A8310E620
31
Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, Ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83823E65-2579-49BE-BD4E-498C4607DD74
32
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, Ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D678E3D9-5E25-407C-8B92-6D17E437DBD7
33
Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, Fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F982541E-980A-4A41-8F2B-C1EBDBF80E6A
34
Midradradradrà, hianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, hianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo; Ary hampieleziko hianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F3BA527-F680-442B-A432-7BBABE15FE4A
35
Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, Ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91A65B1D-2637-4172-A0AB-75D94CDA6F13
36
Injany! misy feo fitarainan'ny mpiandry ondry Sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C90178D-0C35-41BC-B9A9-9077F4494A5F
37
Ary efa tonga lao ny kianja niadanana Noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B11F8666-B4F8-4C85-AEE9-509015A657B9
38
Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny Noho ny fahasiahan'ny mpampahory Sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|035EE919-18C7-4F07-A736-19E61623E4DB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany