Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE116CAC-A1B7-491F-B606-CDE33D325A00
2
Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana[Na: kofehy.] sy zioga hianao, ka ataovy eo am-bozonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0516C8DC-62BC-4C0E-A596-1718ADA19C1E
3
ary ampanatero any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho aty amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB9009D5-3D7B-4782-AC09-EE2EB725C4F0
4
ary asaovy lazainy amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DFEEA77-506A-4392-A57F-1CE01543A4D1
5
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C62E01-B1C7-42AE-9476-698AE9604AA2
6
Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50EE5E74-4302-4615-8BEE-7C4EE2C7DFB9
7
Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C626F288-CC79-4DD6-8871-0EF41E08238C
8
Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4933CDC-4643-46C3-BB5E-3538A3866081
9
Ary aza mihaino ny mpaminaninareo hianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|234F5DEF-D05A-4541-9CA5-10B861587C94
10
Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko hianareo ka ho ringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C295F8B-9A0E-4661-882D-118F47C3BA2A
11
Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa sady honina ao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B43F7A65-213F-4BDE-AAEA-6D8A783E1C7F
12
Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9AFAA9B-9434-4C33-8EB5-4BA3D732EDFB
13
Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana hianareo, dia hianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7DF2BA6-79B0-45EF-9445-D50E3E84A398
14
Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona hianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB7C9DB7-5EB8-4354-AE2B-EE8A4A7B7E7D
15
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana hianareo, dia hianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DA4720F-4D61-4E9C-9710-7EA4E9C4EFD2
16
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE6A3FA9-80CB-44EF-BEE3-1B59115A9CD2
17
Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona hianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|512094C2-5C16-4D93-9514-CCB0FECE4CFE
18
Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72BED6DB-1E03-4DCF-A995-96CB9361036C
19
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe[Heb. ranomasina.] sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|158C49DA-93F6-41BD-B639-8F2C2E8E36C5
20
dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BC1C3E4-2104-4650-B8DC-1DC010684B89
21
eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA74B9D2-967C-4AF5-B289-7CE022D7E922
22
Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79CB8A18-9240-4495-BD46-9D8AAAA69790
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany