Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B65040-BD06-4B57-B4FA-9E4C778C6109
2
rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72BB91FE-024A-4C5C-A5FC-8195E62421FA
3
dia ilay teny nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D517345A-642D-4BAA-AFE2-6F31EF402E9E
4
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BEC3AEC-97A2-4609-B033-C50E7B9C14F4
5
Manaova trano hianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A4D232-2A16-4C11-8F92-7CA558C0EE48
6
Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie hianareo, fa tsy hihavitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B00BF31-4812-43EC-AF4C-F9ECC5295B5A
7
Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E52CD60-4176-4A02-BAC1-816BBBBF6A25
8
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.[Na: izay nampanonofisinareo.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|209735A2-0349-4E0D-A16A-5549BA8E94A2
9
Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|278DF59B-97D0-45E7-A546-77DB3587C2D0
10
Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0179526C-3CBB-471B-9B99-D05849498DD9
11
Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.[Heb. farany sy fanantenana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E10ECE1-7803-4FA5-A049-C48D9C7FA785
12
Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|240F496A-F051-4673-81BF-57AB7996EFB9
13
Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACDC084B-FE7F-455E-80B0-25A7F5C969A2
14
Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana hianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCA870DB-7E28-4867-A44F-430E3930AB54
15
Fa hoy hianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay ety Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|471C3041-837F-4F79-8179-6DB976984A58
16
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3B8B2A3-44E2-4FB1-8D76-2883BF85404F
17
izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EB790C0-C749-4D87-8713-C4438A77E818
18
Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena[Na: ho fampangovitana.] any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4CC510D-C1C7-42D9-9886-5F99F5C03ECE
19
noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino hianareo, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|362E81CA-1E02-4032-823E-B603DAD33CD0
20
Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah, hianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho aty Babylona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32A39110-815D-467F-A507-9E4418517AFE
21
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|428504FA-4D3C-4E92-8736-CB7FE1720FE2
22
Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|137382F3-24D0-4664-8E40-2C1FDBFA7AB6
23
noho ny nanaovany izay fady indrindra[Heb. fahadalana.] tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FEB8D0A-FE52-47B6-9589-E20E84751C51
24
Ary Sehemia Nehelamita dia hilazanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8892FDEE-9E2D-47F4-847D-0B5D689A350F
25
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe: =
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9E7C952-0AF5-4A74-9A87-72B3ED159F1E
26
Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|118B2A7E-C6ED-4A61-9BF3-30CBBBA8BA08
27
koa nahoana hianao no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC0690EC-ABF9-42BF-AEBA-D436B76D5A91
28
Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano hianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E170C31-0FDA-40EC-AFC4-281A58961053
29
Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62821AED-33D3-48CF-B761-C00133AF7D3D
30
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF164ACF-4799-469F-A140-2381F0C16B2C
31
Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia tamiko, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny lainga --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|679988D3-1411-4577-BCEE-4E16912D3458
32
dia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: Tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|008022B5-DDD0-463A-BB10-4437D39B0934
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany