Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0633D03-13EF-4F80-90B7-03267F591060
2
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA446F97-9F99-458D-BD60-67CE40D5B7BA
3
Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin'ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin'ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14304A50-ECA9-4AE3-A0E8-5E910BA59FD6
4
Ary izao no teny izay nolazain'i Jehovah ny amin'ny Isiraely sy ny Joda, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FBBBD8A-0EF6-45E0-AAD7-27DEDD19FDEB
5
eny, izao no lazain'i Jehovah: Feo mangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57B22782-C879-4BC4-978E-1251A36AC0B0
6
Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra Hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, Ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|320A9BA7-7442-427B-A7F6-0F14DE217006
7
Indrisy! fa lehibe izany andro izany, Ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba izany, Nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB043E39-1647-449F-802D-EEEC118F8C22
8
Fa amin'izany andro izany, Hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao Sy hotosako ny fatoranao,[Na: kofehinao.] Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao[Heb. azy.] intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7DF7489-1DA7-443B-903C-C95D75A7C8F3
9
Fa hianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao[Heb. izy. . . Andriamaniny.] Sy Davida Mpanjakanao[Heb. Mpanjakany.], Izay hatsangako ho anao.[Heb. azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CB9AE31-DA1A-4CE7-AEA3-0F953588B434
10
Koa aza matahotra hianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra hianao Ary ny taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, Ka tsy hisy hanaitaitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D6003E1-183F-488E-860A-3A7BEA2B9147
11
Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany hianao, Fa tsy dia havelako fotsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01B4950C-F4C3-4248-BA87-413818840C78
12
Fa izao no lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatrànao, Ary tsy azo sitranina ny ferinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A273561-43FF-4842-8273-C30F6F303209
13
Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny ferinao hianao.[Na: Tsy misy mikarakara ny raharahanao hamoritana ny ferinao, Ary tsy manana plasitera fanasitranana hianao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B83DC78B-97FC-49DE-9FF7-0E30AACE4CAF
14
Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, Tsy mba notadiaviny hianao; Fa famelin'ny fahavalo no namelezako anao, Dia ny famaizan'ny lozabe, Noho ny habetsahan'ny helokao Sy ny hamaroan'ny fahotanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ADEBB98-C808-4233-B37E-BC640511649B
15
Nahoana hianao no mitaraina noho ny faharatrànao Sy noho ny fanaintainanao izay tsy azonao atsahatra Fa noho ny habetsahan'ny helokao Sy ny hamaroan'ny fahotanao No nanaovako izany taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CABECC6-C56B-42FB-92A7-1C97FA209020
16
Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, Ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, Izay mamabo anao dia hobaboina, Ary izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|963DCAF8-10B7-41B9-ACFF-F305DE531036
17
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, Eny, hositraniko ny faharatrànao, hoy Jehovah, Noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, Sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF966C59-4659-46C9-A038-9968E9DF197E
18
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba, Ary ny fonenany dia hamindrako fo; Ka ny tanàna dia haorina ao amin'ny havoany, Ary ny lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FFB893B-7787-4AF9-B422-B4DD4BE86608
19
Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, Sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F2321C6-60DE-4DAA-A827-0A6F036378AA
20
Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, Ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, Dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42EEE51C-F222-44E7-8FB4-5BD8A60EC485
21
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, Ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, Fa iza no sahy hanao ny ainy[Heb. fony.] ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F7539DE-EB28-4952-8FA7-A73AEFCBF542
22
Ary hianareo ho oloko Ary Izaho ho Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2A18487-21DD-4111-A6D2-05FF6AF64C9F
23
He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana Sy ny tadio mitambolimbolina Ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C46A1A59-F280-4B8B-86F4-73FC9EAD2EF3
24
Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka Ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F332062D-4428-45F0-8F12-A5098F341865
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany