Andininy
Protestanta Malagasy
31
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
32
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,[Na: tompony.] hoy Jehovah.
33
Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalĂ ko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
34
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: MahalalĂ  an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany