Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E923E15-E676-4FB7-ADD9-0A82867F1816
2
Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|956AF3B0-E466-4555-86F9-62C4E7BF03BF
3
Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana hianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1892D62E-4050-4C6B-81CD-676CB1C2949D
4
ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tànan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34A62533-767F-4C79-B475-C0FE47116B18
5
ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza hianareo, dia tsy hambinina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E38C54B0-AD92-4D3E-BF25-C992CC83DF69
6
Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D6721A2-7C63-49DD-970B-BD696CD8DAFB
7
Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa hianao no havana akaiky tokony hahavotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A25AFB4-4D0A-46A4-BD23-2BFD4ABD7360
8
Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna hianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa hianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E3381FD-EC40-4FA8-84AC-E12578EF3F13
9
Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3B3994E-8D3F-4978-9447-130B219654BD
10
Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|752D1A81-B332-4E6F-B3E3-7463690184E5
11
Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48AD07C4-3021-4589-943D-8D93E358864C
12
dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahasela, ilay taratasy nisy ny fifanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|866F1594-FF3C-4EFA-8372-187C8730F319
13
Ary nandidy an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1FA86C0-772C-4F2E-BC58-424797597B1C
14
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A8B51DA-3608-48E6-9C36-B5CB4CBBD854
15
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49921FC8-8BC7-464C-8CE2-67E10B28AFAC
16
Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|806DD5A2-E69C-45E3-9259-65F88F8F67D4
17
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1252EE7D-DAC6-4EAE-A306-1EDBE834E47D
18
Mamindra fo amin'ny arivoarivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy, dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E91DA5F-4056-44BA-A06E-65C204D907DA
19
lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny làlany avy sy araka ny vokatry ny asany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AFD56BB-4276-4116-8491-F4F57573BFC7
20
dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka andro-any koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|688AC386-BEE0-45C9-A311-230DF7B5DB6C
21
Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tànana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BE02AA8-2ED8-42F0-B537-C595318A9AAF
22
ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F5C3F3-5383-4EAC-B483-EDA2F058C8BE
23
Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|478EBF52-21BC-4D51-A759-A55D72EE6FA5
24
Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|037A2B5F-E140-461C-8B39-FA1D70412514
25
Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E195D68-294F-4C24-9B6E-9D06DC01344A
26
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1947565A-E408-4CF5-B7AF-8C2A108170A5
27
Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|716D17B1-892F-491E-B898-A4A7E6EFD584
28
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFBF6EE2-96BB-4587-BD5A-9ACD1C447A3B
29
Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF75213E-A716-4331-849B-F0710206C45F
30
Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DB5199D-6415-4B84-983F-79C75C511686
31
Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro nanorenana azy ka mandraka andro-any, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E820111A-1A05-42A8-A1AD-87E6131E074B
32
noho ny ratsy rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin'ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F6F780F-1705-4E9A-959C-8BE4A6C1D159
33
Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy; ary na dia nampianariko aza izy -- eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, -- dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E09B25A-FCC3-464E-BD41-79A7378241E0
34
Fa nametraka ny fahavetavetany tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handotoany azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DEC48E3-AD62-4F7E-B3DE-C3410796B0EA
35
ary nanorina ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba hampandeha ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD84FF2D-5F7A-42C8-95DB-26A243177788
36
Koa noho izany dia izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BF66241-1AA4-424F-8CE1-DCBF143D32AA
37
Indro izy hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity tanàna ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D639D0A9-9A65-4C33-96B5-941C897F5F0A
38
ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA0A1959-A645-409A-B3CA-3D31D68FA698
39
Dia homeko fo iray sy lalàna iray izy, mba hatahorany Ahy làlandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427D395C-A743-45F6-870F-9B347DB05C22
40
dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEA6805D-C2C3-490A-8380-0BF1172ABEA6
41
Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53045F0D-F941-4263-9947-93D88123E026
42
Fa izao no lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity firenena ity, dia araka izany kosa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko[Heb. nolazaiko.] ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6E7ACBA-F836-4896-A5B1-D869A47C4926
43
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CAF23F5-1DB5-4EAE-8BA4-9BFFF697D53A
44
Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy any amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka[Heb. Sefela.] ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76A1BA9D-D8E9-4E63-91A4-72A33ECA312B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany