Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|259DB35F-B5D3-4E48-89DB-0DB3517C92D1
2
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, Dia Jehovah izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5745D729-8AF6-46EA-832F-0F9E2E2C9BFC
3
Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E9388C-D5A6-4331-9386-F5E8D2803B8A
4
Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity Sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, Izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99A74EA6-0E5C-4983-8E25-B513DE40B07F
5
Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy Ka mameno ny trano amin'ny fatin'ny olona, Izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, Sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C39AA54-052B-4961-BDC3-F96EB743CB26
6
Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, Ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CD0E3D3-539D-4843-BBF1-513C58D7337D
7
Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, Ka haoriko ho toy ny taloha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A46F0D55-73D9-40ED-96A6-46807A46F8F1
8
Ary hodioviko ho afaka amin'ny helony rehetra izy, Izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, Izay nanotany sy niodinany tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85A47F84-950E-4B7F-B206-85529B88CE2E
9
Ary ho anarana mahafaly Ahy izany Sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, Izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra Sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEC9549C-332D-4696-BE16-0786F39B3682
10
Izao no lazain'i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, Izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony -- Dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao amin'ny làlamben'i Jerosalema izay efa lao, Ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5570C8F3-F7AE-48CD-B527-C30F58F261E2
11
Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina Ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindrampony, Dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany,[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana.] hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37D8623C-AFDD-4E4B-9C52-51B22A0C76E1
12
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity Sy amin'ny tanànany rehetra Dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry Hampandriany ny ondry aman-osiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|073E8280-F341-4AFD-AC16-9F87CF2D0D2E
13
Dia amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana Sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka,[Heb. Sefela.] Ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo Sy amin'ny tanin'ny Benjamina Sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema Ary amin'ny tanànan'i Joda, Ary ny ondry aman-osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy Jehovah
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A668AFE-D93E-40FF-B58A-1FEC74323D79
14
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, Izay nolazaiko tamin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88FCE39D-FCC5-4AC3-AD9E-FA969512B8B5
15
Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany Dia hampaniry Rantsana[Na: Solofo.] marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|948D267B-E397-42CE-A6A8-108A3AED873F
16
Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, Ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4B6F35-B78A-4D3E-B906-E70C52D11AB0
17
Fa izao no lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D17578D9-63EB-419A-BCF6-64B2299D5F63
18
Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy eto anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina[Na: Sy handoroany fanatitra hohanina.] Ary fanatitra hafa alatsa-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69998F39-1087-41AA-AAC2-D974D26BCA81
19
Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE0A7E7E-0284-4F84-9B3C-2EAE159DED8E
20
Izao no lazain'i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny amin'ny alina hianareo, Mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F7D1AFE-42D5-40E4-B59E-D4D912F26034
21
Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, Tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, Sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F094920-B661-4B5D-B714-B705FD788EC9
22
Toy ny hamaroan'ny kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, Ary toy ny fasika any amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra, Dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i Davida mpanompoko Sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01991932-E6FA-4128-AEBD-BEB470476164
23
Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7965B60-8C51-4424-A36B-583DD90FDC57
24
Tsy hitanao va izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay efa nofidin'i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, Ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|863B4102-4F1B-4DE2-8F18-E5568C357FB9
25
Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, Ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B682C398-B605-43DB-AF8D-EEB305FFD7CB
26
Dia hariako ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, Ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny fahababoana izy ka hamindrako fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|467691C8-7DF4-4BD6-BE87-5CEF3A3FC162
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany