Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E74C171B-99A6-48E9-A8A7-045C0C9FCBA9
2
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin'ny afo izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1CE7B5A-D2AE-4EC1-82A6-0D7AA9588816
3
ary hianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFD3361B-18D6-43B3-BE13-C3CFCBFF6B74
4
Nefa henoy ny tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah aminao: Tsy ho fatin-tsabatra hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07FD240B-0173-468E-93E0-E3E99B00F13D
5
fa amin'ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy! ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E605529-7876-4E6E-8D9D-AFC2F735E3DE
6
Dia nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tany Jerosalema izany teny rehetra izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|056142E2-3207-47DB-A0B1-A7877269BF34
7
fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimànda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|727B4337-70C5-4CE3-8BAF-9075A6E79A83
8
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fahafahana aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E5B557A-2EC7-4E1A-A544-14C13C8A0E56
9
mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B415124-E2CD-4A50-B213-0F44EF5E5C71
10
Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE0B0A55-A798-43FF-9218-473CE136B933
11
Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ankizivaviny indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|848A8B25-4F0E-450B-A7C1-184010965257
12
Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AAC104C-2646-4B3C-BFE0-C2E51CBD0B9A
13
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C662044A-04EF-4916-BE04-78F1387F7FA1
14
Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E36B3CE4-559D-4342-85CF-07CB6E0B7A32
15
Ary nibebaka hianareo andro-any ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako hianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49AC718E-8F93-48B0-8040-32FF0242A279
16
kanjo nivadika indray hianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D991E7-1751-4FF8-84C5-9658DE2D3FD8
17
Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin'[Na: ho fampangovitana.] ny fanjakana rehetra amin'ny tany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FDAC698-3311-4D55-85A6-1F778290BC47
18
Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay nataony teo anatrehako, fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny tapany izy, --
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|525B901C-2994-4349-9826-FAA867E665B1
19
eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|993F93EF-9268-4790-8765-37135DFC8926
20
dia hatolotro zo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; ary ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1AD5F6A-C27B-4E2E-82E5-5D47DBD16619
21
Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|545BFF4A-A20E-4C09-8838-8752C680876D
22
Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F2E08FB-AFF0-4684-839A-1FF80B0B6776
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany