Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DF34393-BCD5-429E-9C29-8C1B9F473647
2
Makà horonan-taratasy hianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao, dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B9A2BE7-3F9A-4869-9DA5-1825A086DA2F
3
Angamba hoheverin'[Heb. hohenoin'.] ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny làlany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28AC606C-E620-471B-8C84-B43C60E1DB51
4
Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria; ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E853F84F-7941-47DA-B8C2-9E67996F0D25
5
Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany amin'ny tranon'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEB9948-8399-40ED-9AB7-855A01ECE6C9
6
fa mandehana hianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadian-kanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako; ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EB61DD2-EB93-4BB6-988D-21BEE7D5C7C5
7
Fa angamba ny fifonany hoborahina[Heb. hiankohoka.] eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny làlany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C42F3C9F-4B2C-4B1C-BB03-5CF0003BE0EA
8
Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57176598-8407-4D55-9CE4-79B2EAA03C6A
9
Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2369AD5B-532A-4EC7-BE24-B456F6B59663
10
Dia novakian'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE808D00-A761-416C-B619-72D30EF49B57
11
Ary nony ren'i Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny boky,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E67D26A-B2BC-40F9-906B-B3F610AF0E1F
12
dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana, zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ECDD107-4AAD-4553-A25F-2FF3F2FEC9C6
13
Dia nambaran'i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy teo anatrehan'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFD55682-C668-4037-864E-BEECD93ADE31
14
Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tànanao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa aty. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C371C6BF-AA3D-41E2-A8DB-8E06A1A52E9F
15
Ary hoy izy ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakian'i Baroka teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47BD96DE-3EDD-48A7-B4CE-58B96BCDD3B1
16
Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FCECB7E-BD95-4D0D-98B0-B228FC1DE999
17
Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao anay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9117AAA4-3196-4B48-B5DB-87AB13FBBF52
18
Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D4C6D42-9493-4136-9500-88F59238A367
19
Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere hianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|338D46D0-32F4-4ADA-8B86-7DDC46280531
20
Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09DD5703-F819-495D-9C20-9A504674B515
21
Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B37C8480-1D10-471F-951C-021AE9D6BAE7
22
Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA7C13B2-5966-4A20-A27E-A28E50DF432C
23
Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipìka ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07D8E690-627C-4739-BCD5-91F4708F869E
24
Nefa tsy natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|081A96C9-50EE-4C72-8598-82AF9C8B7C99
25
Ary na dia efa nifona tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|591CA265-84F1-4FA5-B947-4735ABFFD783
26
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremela, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E84FD803-F7E2-4BED-87B7-96645FEDAEA8
27
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i Jeremia, nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFC32B49-6B98-41D5-883C-70A1A5FCF00F
28
Makà horonan-taratasy hafa koa indray hianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38E2783A-BA03-4212-A7B7-FC187EF234BC
29
Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A50BE5-5F8D-4873-A60F-AFB9DD75F02C
30
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CB56654-366B-4AB3-91B0-34CFD9CEDB9B
31
Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary hataoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85BE9BC4-1CAB-4FBF-B8C3-358DE1DA3E0A
32
Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ECE26CB-E49F-42BD-B8F7-77D5F0EA1CC6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany