Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAB71596-31B7-46D4-A337-2AAE45B23E93
2
nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4C41950-F720-4351-B226-4E1C2A60003E
3
Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B1E13D7-6954-45C0-9EEB-6B73CCCC18CB
4
Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony an-trano-maizina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A68C23B5-464E-494A-8685-EBB8EB2A932D
5
Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35AFB9C9-A7AC-46C5-8241-7608DBD6F8AC
6
Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|659AD294-234C-43AE-B54F-9F77A204A695
7
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny Joda, izay naniraka anareo hankaty amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B24F523-7715-408A-BB25-52C90F02CF47
8
fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanàna ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C72818FE-3CFE-40FF-BE61-E2921F433023
9
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana hianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68441239-08C9-4129-95CC-F1FDCC6AF227
10
Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza hianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|138E0F22-F76A-4FE3-9883-E54EBA896BE4
11
Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'i Farao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC908333-CF13-4DAD-B2F1-D9E17E5F084A
12
dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C291A49-C8A1-468C-B413-9A0D3CFC7D33
13
Ary raha tonga teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3556E02D-FEAF-4634-A752-6F82CA232E89
14
Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ka nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDB3AD59-3D24-4A9B-8B1A-EBBE56C646BF
15
Ary tezitra tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22FAE991-2827-421C-BBF8-39B6E8C2DF58
16
Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9CA1CF2-7E3D-481C-9ADA-4F9AB2106E91
17
dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C8484E3-1C4D-4F1E-9890-EB8691A91465
18
Ary hoy koa Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo an-trano-maizina aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA6B6349-0FFB-4158-A3EF-633559CEE27B
19
Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tanàna ity ny mpanjakan'i Babylona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8CDBE41-ABB3-44D0-8A8A-8B99D3505E4A
20
Koa trarantitra hianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina[Heb. hiankohoka.] eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14D63ED7-8F06-4569-9A73-A139A6E2698B
21
Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan-andro isan-andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5944186A-E6E5-44D9-A32A-70B27C433190
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany