Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD44419A-A609-4B31-98E9-146C87EDF4F3
2
Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|509E6FA0-4625-46F4-8353-47F5578F3D5D
3
Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A5FAC0E-AB9A-4244-A86E-7546D65EA431
4
Ary nony ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FE84ACB-FBFA-4974-91F1-69F4A5D57C0C
5
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B401A0FF-9320-41F6-BA5F-0417530E429C
6
Ary Isimaela, zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny am-pandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|296AB23A-F9DE-485C-B968-988DB4EE8E1A
7
Ary nony tonga tao afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63472C9B-3980-49DD-9145-DD0E71E6E9F7
8
Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9ED4A09-7AC4-4BAF-815C-DF29E2AA59D0
9
Ary ilay lavaka nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC0752D2-1A8C-4FC3-B13C-363027CB8A3B
10
Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|262D95CD-AAB6-4F37-B0F4-5DE2267D6C33
11
Fa nony ren'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1366299-E603-4502-BB3E-A66CB63D065A
12
dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory[Heb. ny rano be.] ao Gibeona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ACEE9A2-76BE-490A-8D7B-5E1931D961C3
13
Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila izay tao aminy, dia faly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|648EE932-01B6-4449-A2FB-13C545204518
14
Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B18F57BA-9025-4D8F-BB4E-7CC9C3E348E0
15
Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBA3BB54-773D-4520-A2F7-1D7977ECEC77
16
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C21A61B-E07A-4F71-BA87-8228CD55AA9F
17
ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama,[Na: an-tranom-bahinin'i Kimama.] izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DD7FBAA-D757-4E60-947A-DBC545A536BB
18
tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83E8D73F-45FF-4C55-B30C-B0AE9C6D6C35
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany