Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96110EAA-0C89-43D4-A130-439EC253C8BF
2
ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna hianao, aoka hoborahina[Heb. hiankohoka.] eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB2C5DFB-741F-4F4F-A0DE-0925FAF6429C
3
mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay làlana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB6B30D9-48B1-49D9-A006-088158126376
4
Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B81822E9-381E-4CFD-9B0B-137705351103
5
Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCD3E072-DE44-4352-8B3F-CF5A4924C11C
6
Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3CE739-F36B-4FA2-9AB9-C5FCB3300302
7
Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E0417E1-9305-4E9C-88B2-6F7FEAA1659F
8
Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|762B1E7B-A46D-463E-943F-B16CC108867E
9
ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko[Heb. hampiankohoka.] eo anatrehany ny fifonanareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4220F486-BEAF-44E8-807D-EE183729ACDD
10
Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany hianareo, dia haoriko hianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko hianareo, fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C84462-90C1-48FC-AE44-5509CFBECEA7
11
Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|531DD339-5DBA-4AC4-AC85-A4FDEC984027
12
Ary hataoko mahita famindrampo hianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C690DE-754A-4B2A-820E-C775D6CA34AF
13
Fa raha hoy kosa hianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|541D5E69-168D-46B1-9C10-7A1A39FA12AE
14
fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD17677B-C374-4D33-8326-55EA536D8481
15
dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny hianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany hianao ka mandeha mivahiny any,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0480529E-1E85-4C82-AF3D-71171A33A4FF
16
dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1025A5FB-AB53-42EC-87A7-858422DDDEA1
17
Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F65AFDA-92A8-45A4-BEB2-15009065D9DC
18
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta hianareo; ary ho fianianana sy no figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa hianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9257D422-F69E-4F92-BDFD-9B63F5FBE605
19
Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta hianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDE40004-2FB9-46C5-923C-A9545A530C0A
20
Kanjo efa nivily hianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AA0DF2A-9BDC-40BD-8DF5-1499725AF3C9
21
Ary efa nambarako taminareo andro-any; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|152E9A90-2199-4733-A651-36B1C4D8EE17
22
Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana hianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahinianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C36A725-7FFF-42CB-88A7-700A5A3A8729
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany