Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba[Na: ny fiarovana avo.] sady raiki-tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFBD1766-8FDD-41F6-BB87-18341D0535E7
2
Tsy misy ho reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampidi-doza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa hianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBC85774-238E-4938-840A-7E42344DEEBD
3
Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A82EB68-CAE3-4353-87F4-C865C50C62C8
4
Rava Moaba, Ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB722F12-CA6A-4F83-9155-3BE706308AF0
5
Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAE82551-CE72-48B3-9AC2-ED60EC38BC87
6
Mandosira, vonjeo ny ainareo, Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra[Na: ny anjavidy.] any an-efitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6BA409C-C6D1-49D9-9060-3775A0714293
7
Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao Dia ho voasambotra koa hianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, Dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC292738-E0D7-4586-832A-CDD68894FD9A
8
Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, Ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, Ary ny tany lemaka ho rava, Araka izay nolazain'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|159DDAC8-80E9-481D-825E-F471F4F94E21
9
Omeo elatra Moaba, Fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànany, Ka tsy hisy mponina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25CBB2CD-4CF1-4E53-94EC-C70A78CED41C
10
Ho voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!q
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|301FAF9D-67D4-415F-B577-7B74946CDD74
11
Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely Ka niotrika tao amin'ny faikany, Fa tsy naidina nafindrafindra siny, Ary tsy mbola lasan-ko babo izy; Koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy Sy tsy iovan'ny fofony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F7781CA-3202-4B46-88C9-82584DE16B84
12
Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho ao aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy Sady hanorotoro ny sininy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6D91ACE-A255-44A5-AAC7-2B299356D459
13
Ary Moaba ho menatra noho ny amin'i Kemosy Toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny amin'i Betela tokiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4583EE7-9DED-4B1A-B9E0-3B2CBE7EEB2D
14
Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an-ady izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5288A40E-E7BF-411E-987B-B6071BA6F63E
15
Rava Moaba, Fa ny tanànany dia efa nanihina,[Na: efa levon-ko setroka.] Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin'ny famonoana, Hoy ny Mpanjaka, -- Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CD616EB-357A-4A09-BE3B-C905AAD6ABD2
16
Efa antomotra ny loza hanjo an'i Moaba, Ary mimaona ny fahoriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EFE8211-769D-4115-B30B-61BEAEBE9B32
17
Mitomania azy, hianareo rehetra izay manodidina azy Sy hianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|023DFE66-2670-4192-8C2D-C5C7BB0ECAB5
18
Ry Dibona, zanakavavy mponina, Midìna miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, Fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao Sady mandrava ny fiarovanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0265657D-F406-4243-833A-63022F8C39FB
19
Ry mponina any Aroera, Mijanôna eny an-dàlambe, ka mitazàna, Ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|247458D1-381D-45AE-80ED-17CD630F1E1B
20
Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, Ka ambaraonareo ao Arnona Fa rava Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87362BF5-2185-4C75-83B6-D43FCC2A049C
21
Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, Dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81294B72-C92D-461E-A7F5-FCEE83D9E214
22
Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14CF4265-D9DD-4826-A010-29151464863B
23
Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BEB7EAF-C421-43EC-AE80-237621C3BC8F
24
Sy Keriota ary Bozra, Eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02EAA454-598F-4AAC-8DB0-CF21552CD5B7
25
Voakapa ny tandrok'i Moaba, Ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22CF9445-AE3C-4B96-9752-B1373D298B69
26
Ataovy leony izy, Fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany Sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4599FB6-3C6B-4F9D-B236-5FF2FFA282B6
27
Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va izy, No dia mihifikifika hianao isaky ny milaza azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09BCB77F-C2BD-48C9-8353-31A69FE1F861
28
Ry mponina ao Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, Ary aoka ho tahaka ny voromailala Izay manao ny akaniny ery am-pitan'ny hantsana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ED1003A-0546-4560-AA34-9347F18D260C
29
Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba -- fatra-piavonavona loatra izy -- Dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6100FFA-8957-458D-BF69-22EF33E21628
30
Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D12F0E2B-E9FF-42DC-B2BB-F2AA13DDA361
31
Koa hidradradradra noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, Ary hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37BEC6D1-2300-404F-B93E-62C97FC80EAB
32
Mihoatra noho ny fitomanian'[Na: fitomaniana an'.] i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, Tafita ny ranomasina ny rantsanao Ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F803483D-8295-4E13-9C2F-EADDDD6E5699
33
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra Sy tamin'ny tany Moaba; Ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, Tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4871896-5DDC-4BB9-AE24-3263AE85D8CF
34
Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza, Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia;[Na: ilay ombivavy kely telo taona.] Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9978FCD7-2AB4-4253-B37A-D6DF93273182
35
Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo Sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D115BA06-ED0F-4455-90BE-A0B916D35330
36
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, Ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa, Eny, noho izany dia levona ny harena be izay noharìny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|345760E5-2C75-48EF-B3E3-2328DC3103A7
37
Fa mibory ny loha rehetra, Ary voaharatra ny somotra rehetra, Misy tetika amin'ny tànana rehetra Sy lamba fisaonana amin'ny valahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26A9A8BF-56DC-41F1-86D4-476EA0D2791D
38
Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba Sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C23C8EEF-5EE6-4F23-B8E6-6AE24D84E487
39
Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay izy, Ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68F96E6D-236F-4EA8-85C7-2AB81B405833
40
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy Ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B84E8830-3ECE-4352-8AF1-3B6EF10321F2
41
Afaka ny tanàna,[Na: Keriota.] Ka azo ny batery fiarovana, Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba Dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|358AFBA4-35C5-498A-BCC1-979BC95D4ED6
42
Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba, Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3218BA2D-FDF5-41EB-AFBF-94EB0F61FBE9
43
Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, Ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF9FE38D-8F21-440F-8A25-F08C4F4C56FD
44
Izay mandositra tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba Ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE3EA3AF-7812-47F5-8BEF-054F7B34D220
45
Ary ao amin'ny alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, Ary lelafo avy any Sihona, Ka mandevona ny sisin'[Na: ny sisim-bolom-bavany.] i Moaba Sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12A869AB-AB26-444A-89F0-F5B2A0E56C19
46
Idiran-doza hianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D1E041F-0936-4E18-963D-89120219F5D9
47
Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC114933-67C1-496E-A8B4-6D0222DA0594
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany