Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany,[Na: Malkana.] Ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CFB7A5A-BEDE-4319-99DC-EF166DF5CFAE
2
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, Ary ho tanànaolo rava izy, Ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2729C70-A15E-487A-9A04-0BA1BB91E651
3
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, hianareo zanakavavin'i Raba! Misikìna lamba fisaonana hianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany,[Na: Malkana.] Dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64B665CD-FE8F-4100-92E9-160938EA375F
4
Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, Ry zanakavavy mpiodina, Izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no afa-miakatra aty amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C96E78A-A0A5-44B0-966E-BDDFA62EE4A7
5
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, Hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy hianareo rehetra, Sady tsy hisy hamory izay mandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F72EB7BB-6C0C-4B5F-BD01-93887E12809C
6
Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|560C41EB-40F9-467C-9F55-1DDA78743B34
7
Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A810D1A-C2FC-4F1C-8C9F-31ACDF68FC49
8
Mandosira, miambohoa hianareo, Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, Fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, Dia ny andro hamaliako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B2A36CF-7536-49D0-9798-0954812737F8
9
Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, Dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, Dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F426709-F710-4E7D-B95C-9B2B25E13B14
10
Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, Ary naharihariko ny fiereny, Ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany Sy ny rahalahiny ary ny namany, Ka tsy ao intsony ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D26DD46A-4B91-497F-9C40-979B65F7D8A5
11
Ilaozy ny zanakao ho kamboty, Fa Izaho no hamelona azy, Ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4D67D6D-AB3B-47B1-AB6D-905ED45988D2
12
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, Ka moa ho afa-potsiny va hianao? Tsy ho afa-potsiny hianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32FD24E1-469E-4F0E-BCF2-9970BBB9A012
13
Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, Fa ho tonga figagana Bozra Sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, Ary ny tanànany rehetra no lao mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8223FD96-104F-4C96-9090-B9B0EDF444EB
14
Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, Ary nisy iraka nalefa any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria hianareo, ka mankanesa hamely azy, Ary mitsangàna hanafika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9D8E157-E35A-436F-B1A3-CDACE18C69EF
15
Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena hianao Sy fanimbazimba eo amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25388DC6-142F-4D09-9F49-1F2BECB12E99
16
Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, Ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, Dia havariko avy eny hianao, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D422AC7-247A-45AB-AC74-58AF127F8085
17
Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra Noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EC7382D-6685-4DEA-8257-0E2881D3ABF6
18
Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora Mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, No tsy hisian'ny olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19C66FC3-684D-47B3-A899-FFC3119C2BE1
19
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'[Heb. ny reharehany.] i Jordana No hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza;[Na: fonenany mafy.] Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, Ary izao olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0819152A-E39C-41DD-B971-2C0BC22C3AAD
20
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, Sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana! Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A856F31-A50C-4912-A43B-7AD8C40A32B6
21
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC225417-A759-41E5-9444-42F045014B2D
22
Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy Ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma Dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B8363E1-63B1-4026-B8A6-B4030B442FF1
23
Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, Fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.[Na: Misy fanahiana hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2A7FAE1-C69D-4038-BCFF-D06E8EC7A9E9
24
Efa ketraka Damaskosy Ka mihodina handositra, Fa toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, Toy ny vehivavy raha miteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A62DA490-0BA8-4E0E-82D6-8F5C10C8CDF3
25
Nahoana re no nilaozana ny tanàna malaza,[Na: Indrisy, efa lao ny tanàna malaza.] Tanàna fifaliako!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC452AD7-8899-452E-BECD-329D6981E223
26
Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony, Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB987859-DEB1-4BA6-AE61-40913A128EE3
27
Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny màndan'i Damaskosy, Handevona ny lapan'i Beni-hadada.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8186697-B704-477A-ABB6-ED74E6202F06
28
Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna hianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, Ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA4BD53F-C9DD-43D8-9C67-3C8B17339763
29
Halainy ny lainy sy ny ondry aman-osiny, Ho entiny ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, Sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BD34B85-541A-484A-B98F-4B2CDB84457E
30
Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo Sy namoron-kevitra hamelezany anareo.[Heb: azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33EDCAB1-19D0-4BA3-B1A2-4738C3CA14ED
31
Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah, Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy Sady mitoka-monina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE05B51-2A51-4EA0-A9C3-C3C2B9C3414D
32
Ho babo ny ramevany, Ary horobaina ny omby aman-ondriny betsaka, Haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F645207C-739A-42FB-B070-5A91B9F81940
33
Ary Hazora dia ho fonenan'ny amboadia[Na: jakala.] Sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|898B7FA9-234D-484D-8569-2152F36C5118
34
Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA7B62D-33A2-4317-A58D-97DEAB36C27D
35
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Indro, hotapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay fototry ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65326BF5-EB3C-42D1-B605-F5AD7313A513
36
Ary hitondra rivotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho Hamelezana an'i Elama, Ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, Ka tsy hisy firenena izay tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CD8E894-2FA5-41F9-AF6E-6802CD3FCBDF
37
Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony Sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho Ka hahatonga loza aminy, Dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B74551A2-482C-4924-8840-00531EF98548
38
Dia hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako, Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDE017A-D57F-4B47-8687-68B6422567FE
39
Nefa any am-parany Dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A2E6452-9C0D-4121-90C8-83C281F00049
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany