Andininy
Protestanta Malagasy
1
Miveziveze eny an-dàlamben'i Jerosalema hianareo, Ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, Fa raha mba misy olona hitanareo, Izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, Dia havelako ny helok'i Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096E70F4-414D-4170-AE37-1D5AEE2FBFE5
2
Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, Dia entiny mianian-tsy to izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8952D3AA-6307-4253-AB17-179F1678B612
3
Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, Tsy nety niverina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ACB1361-D2AD-4026-8718-28DC78BF3BC8
4
Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny làlan'i Jehovah, Na ny fitsipik'Andriamaniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|047D300B-5BA4-4363-B0FC-66FFE1DBC5AC
5
Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy; Fa ireny dia mahalala ny làlan'i Jehovah Sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga Sy nanito fatorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A3B16F8-E8E8-4126-BE4E-155D47A56DDB
6
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an-ala, Ary mandringana azy ny amboadia[lopa.] avy any an-efitra, Ny leoparda miandry hamely ny tanànany, Ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, Ary fantatra ny fiodinany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A94F309-C8CE-4537-92D7-0ED30AC28AA9
7
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy ahy ny zanakao Ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko[Na: efa novokisako.] izy, nefa nijangajanga ihany Ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55622762-4960-4B06-B52E-83F48F394535
8
Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, Samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B94B960B-E250-4B2C-A35F-427FFC9379D7
9
Tsy hovaliko va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD7CE767-59D5-4661-927A-3817AFD01C2A
10
Miakara eo amin'ny màndany hianareo, ka mameleza, Nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, Satria tsy an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B16FC26-57D8-4B92-AC33-FF03327A7DF5
11
Fa efa nivadika tamiko mihitsy Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1948BE1F-D1B2-4610-ACCC-768E244DCD68
12
Nahafoy an'i Jehovah izy Ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, Ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C05123B-DA7E-452D-81E6-E80E148B1913
13
Ny mpaminany dia hanjary rivotra, Ary tsy ao am-pony Ilay miteny;[Na: ny teny.] Eny, izany no hanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E750FA04-0690-451E-BC0C-1BFA273B5783
14
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, Indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, Ary ity firenena ity ho kitay hazo Ka holevoniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37347234-3993-47E7-A1F0-926CCFE67212
15
Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, Ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, -- Dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, Ka tsy ho azonao izay lazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C435DED6-C480-4090-9056-574DCF75703E
16
Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CEB15FD-AEEF-4530-95E9-758378C9AD40
17
Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, Hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, Hohaniny ny ondry aman-osinao sy ny ombinao, Hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao; Sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimànda izay itokianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40A333CA-61E6-4B4A-AB0C-91A1BD054CF5
18
Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, Tsy dia holevoniko avokoa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D89C2A8-7AE7-4B15-9A5D-E01ABDCA5D1A
19
Ary raha hoy izy:[Heb. hianareo] Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo No hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AB411ED-52C7-4BE5-811E-791BEF3466E6
20
Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, Ary torio ao amin'ny Joda hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|233C59A0-797D-4171-899F-16B49CA4F352
21
Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, Izay mana-maso, fa tsy mahita, Ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5BD61FC-4BC5-4FBF-83E4-6A97704A76E3
22
Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va hianareo eo anatrehako, Izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, Dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, Ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5F2DF10-BD7A-43DF-A003-83AB739CB596
23
Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6438E5E1-C064-4BB5-9693-CCC06FC435EF
24
Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mandatsaka ranonorana, Dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E3F3A02-E93F-41B1-AB61-8903722AE5DD
25
Ny helokareo no nampiala izany, Ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B66D9476-2C30-4C6E-9EF3-46FE7A6B0B51
26
Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, Mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D4BD265-CE0D-41CE-A8DB-61B1139FF399
27
Toy ny tranom-borona feno vorona No mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanan-karena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5172DDD-ACD2-49FB-8E33-6DDD954F267D
28
Efa mihatavy izy ka mandimandina, Dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty rariny izy, Ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|627D078B-84FF-489F-AC28-821C94C7358F
29
Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F68B3BD4-19AC-4E18-83C9-B4DCA5C7D9C5
30
Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34C9D5B1-9CA2-484D-8BDB-AAC770B8FC31
31
Ny mpaminany maminany lainga, Ny mpisorona manapaka araka izay atoron'ireny, Ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re hianareo any am-parany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59ACC77E-D42A-4395-9CCC-AAF2EC9B3FF0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany