Ezekiela 1: 1-14

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E02787-3FDA-485F-A2FB-1857D506BF56
2
Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8959C620-7EF7-4A2B-99CB-0C3F91545B49
3
dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E36FA6C-F299-4603-AE64-6DFEDF2D994F
4
Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B1D316-6956-4ECC-8CB9-23EE5791665B
5
Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D4CF989-013E-405B-825D-439F0B8F1E19
6
Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5EF4DD8-0359-4A47-B840-7E50DCCA8355
7
Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9321FF83-955E-4351-8903-286EB51980E8
8
Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DDD1DD6-B971-49E5-88D6-1BB443F061FD
9
Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37BFA0EE-E157-476A-85EC-9AA89F816941
10
Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB46C32C-F710-459F-8E50-D3BB300BD10F
11
Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17320B42-A4AB-4377-83D9-7324B1E3478C
12
Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E02A8102-1D77-4ABD-BF23-E1FF379C450A
13
Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4BF48A4-3818-4F9A-8E7D-F31D380861CB
14
Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9D66393-1A44-4C84-BCF3-35EFA9957283
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany