Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09852759-DABA-46E3-9C5B-DBAD75A8F2E4
2
Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin'ny tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87EB4185-2C39-4FCD-9DDF-154E9F2C38E2
3
Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin'ny Isiraely intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F5B56EB-0D52-43AA-BCD9-5CF96C2B2180
4
Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|593B93E3-DDC5-42A6-98E3-0300F9C26C21
5
Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55E0DBA4-208D-4840-A608-BED6993BB8EA
6
fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F4CD7C-184A-4F6A-95D0-744682E0B1AE
7
na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatôka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6AEF5FE-B20B-429D-B180-31B83504361E
8
tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin'ny miady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|095C7DF7-A8AC-42A0-B691-0B5AAF834C6E
9
ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB42B079-10FA-4EE5-BF48-D281989FD08A
10
Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22ADB40B-07BE-4A4B-A62D-9D8B83F7B8A3
11
(nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin'ny namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F003D94-0C38-4CE7-B93E-D4E58019443B
12
na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatôka, na manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D5AF34-3FBE-40B4-A81B-E933F99F643E
13
na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7A1E9E7-51E3-42C8-A26A-CF422609D70E
14
Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|344820E1-7D3F-4AD9-B331-F7A325B95777
15
ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3AC3FCF-32A0-46CF-BFA0-90F40071D02F
16
na mampahory olona, na maka tsatôka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7358BC-8501-4A7B-90DC-A4ADCA0D5FFC
17
miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90CA8FAA-D777-4642-AD2C-E13D0A215C07
18
Ny amin'ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C87FE68-E4C0-4519-BDD9-0210EC8D7EBC
19
Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatô azy, dia ho velona tokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D035A132-F73E-486B-BB95-39A21BBB2ED9
20
Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D09CAC2C-1724-4274-AA13-917DA99217A1
21
Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91AD6AA3-1535-4875-9BB4-C33D22171B64
22
Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FBB0F8F-0DC6-461B-844E-145C155433FF
23
Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9490BDD-0BF6-4610-BF47-13C19B7769FC
24
Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0B0A79F-110C-465A-9FB3-28D4D7282283
25
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako* va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb. lalana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|109DED32-646D-4A51-AE0A-B2DA10D074C7
26
Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|653468EE-6EC2-4AFC-8600-E66DB1D05B91
27
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC685304-216E-44BB-92F0-D5707D51169C
28
Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E355B45-A6C9-4F67-9306-F72AA0749F6E
29
Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako* va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb. lalana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A10C5CD5-8FCA-406D-94C3-BBD7F30C2CF4
30
Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91427CEE-FEDF-4D52-AA0D-753676539DE4
31
Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F9644AC-46BC-4434-B67B-CBCB01EBAC01
32
Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4C86AEA-0890-433A-80F6-774CD3908076
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany