Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A988867B-96DC-4194-9F82-6B52FFA9E52F
2
ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka* tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D036E17A-8A68-4367-8792-C0A8F7A4B1C3
3
Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD4AAFB0-D6E9-4D4C-AD96-3A3934437804
4
Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0DC6F45-5259-4195-BE9E-DD5922F899BA
5
Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E615EFD-8588-4881-A7D9-7B0B1ABD2DFC
6
Ary nivoivoy teny amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0509ACF-EFBF-4090-A598-DF2CA8099891
7
Ary nisavika ny mpitondratenan'ireny izy* sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin'izay rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF6CF499-BC11-40D6-9654-172159CCB63E
8
Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F0ADAAB-4E7A-4C23-B372-AC2C52270D0F
9
Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3D2E677-028A-469A-81F3-0AF1FF6C58D8
10
Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao*: Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano be,[Na: Fony tamin'ny rànao ianao; izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|246B2F03-D03D-43CA-91D0-AD81364B23F1
11
Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87258B7C-B8BC-4E5A-BAD4-8D4AF701A434
12
Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|799DB3C2-52C7-4056-AA47-ECEDA87931C0
13
Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E728BEEE-290D-4927-81C8-D63D31CBEB96
14
Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|665EC379-358F-47BE-A13D-4BFC781C31CE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany