Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD0FEEB5-4BC0-412B-8235-247D3B72C7F6
2
Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10670FDC-FCCB-4102-A484-ED3D9F90F787
3
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFF203FC-2F12-4275-B7EB-0DA4DD5E3556
4
Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1DBB7FF-BB06-445D-9C50-D9C8E345B15A
5
ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7055B568-E166-4D02-9A3C-8E877F12BCFB
6
Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny* avy mba handatsa-drà.[Heb sandriny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D16D680-2440-451D-83BE-A7C4A0631620
7
Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721FC5A5-193E-43F3-88E4-3548EB86DFA4
8
Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1684766-3872-4307-A313-6FF93EC619D9
9
Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D878D02E-B34A-44A7-9489-F4850F079D30
10
Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC857D3B-628A-4B0E-B2D0-12504BF341F5
11
Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C01F42C-E9D8-4F48-946A-FA25EA3D9350
12
Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85CABFDC-717A-49EB-9722-7B229C2FBAC3
13
Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C50EE31-3C7F-4ABF-9929-4F492D931D89
14
Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka* aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA29C41F-20CD-409E-B22C-1D027B26CA38
15
Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C7F8A82-2382-41EA-9512-FDF4F6A4D723
16
Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B91BC75B-3234-4AD9-9150-A86BABD4CD8C
17
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|167CAB6C-F11F-45BE-B923-2175BBA4F67F
18
Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C5AAE6B-3EF2-4FDB-8AAC-AEE2CA53FA7A
19
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F966518-C708-4661-9504-9B245CBDBDE8
20
Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B754CE92-ABF9-4EE9-8686-C05D7C37D782
21
eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AEC5238-10CF-4CFA-9BD5-C6043AFA230B
22
Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D31E9972-6768-4EC5-A942-A6F139943252
23
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C43033A-BB1A-46F6-8671-5CB69DD0541B
24
Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro* sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.[Na: tsy voadio]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77656A1F-48D2-4F6A-ADB4-D1D1F327FED9
25
Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8DC83E3-0F35-41EB-B158-46EFB79ABDDA
26
Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3285F393-F814-4E7E-A723-EAF5D8932F7B
27
Toy ny amboa-dia* mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.[Na: lopa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D18AED3F-5E09-4833-9AAE-F43C41E0266B
28
Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EDC86B7-9BA0-4B67-BFFE-03C5DD47B838
29
Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C7B938F-11E1-4924-952E-356C48A18E8A
30
Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721A45CC-B1BC-487A-88AF-CE6EEDC8370E
31
koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony*, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D80ECBD-8FF7-4B39-8362-526E3066E46A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany