Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A508CEE-3E77-426C-BB75-9EC3BF72EB2C
2
Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0202B35-66BE-4A99-B5E3-577663ECAABD
3
Ary milazà fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9DB63C2-B1E2-4DC6-A9D0-DC7BC031EC72
4
ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FB599B-4458-4EF8-AC0F-8B5D3816DA6B
5
Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana*, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angôny eo ambaniny ny taolana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CA3A3CF-055A-4115-96F4-70C661C06529
6
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C69446D-91BC-4B07-A21C-168B68E6333D
7
Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A747C37A-F13B-4F9E-8B8B-7DA9076A04E8
8
Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B331DF6A-AAA9-4B91-99FE-00275ED3EBDD
9
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06129F64-135B-44DA-966C-0799796CDC62
10
Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D917D5-420C-450D-A40A-22167BC60E20
11
Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7D9F5FE-BD8B-4A64-9473-46FA1F3AEC1E
12
Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB73CAAA-022F-4A61-ACF2-5EC20F700120
13
Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDA2E461-066A-4C93-B329-7B4D885C3219
14
Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BBEDA98-09F2-49C1-B175-259121A76083
15
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69601225-0F18-4667-B310-006863164CF1
16
Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45DE8FFE-8C68-4871-85ED-A035357F2695
17
Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD472B1-09D3-497A-B1EB-FCAEC6B0D4FE
18
Ary nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90DD46CF-B19B-4973-B433-88D14AB4598D
19
Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin'izao ataonao izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91A593AE-525E-4D22-917D-0CFBD9019A00
20
Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BEF140C-03E4-4151-9C3C-E21CA15EA7FC
21
Lazao amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB26BDAF-F6A3-47B5-AE4D-24E0D19DF8A2
22
Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F8654A7-E157-4A51-B15A-D838600AD0CD
23
ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67AFE2C8-AA31-4865-B387-F07B2D4D0ECB
24
Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|134CCE39-4D21-4DE6-AB58-31111343CCD6
25
Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEAFED64-6B90-4E60-86D4-5E404263C52C
26
eny, amin'izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D0DAB93-6856-480A-931E-6D93ECBE5524
27
amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DDF4895-EDFA-48A8-9E19-A7FD386B0FF6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany