Andininy
Protestanta Malagasy
16
Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F1AF3F1-D110-46B0-9F31-1982437CEF2B
17
Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F14C881-7407-43A6-86B6-A1A2D1FEBA0A
18
Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6733F9C6-2639-4642-AB88-07A19AC8F14C
19
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A8C1D3C-79E0-4DE7-B9D7-E094A5F76A29
20
Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C0A1FDA-946A-45A8-89F5-FB04E59531B1
21
Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2ED4089-DA2E-4662-89C1-436AB73F475D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany