Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|203C9897-BF22-46C4-9823-FA6921B412C8
2
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona* ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC0056BA-F51F-4EA2-BFA0-E74CA91650B9
3
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A64CE6-9F4B-4558-9959-90545EB1606C
4
Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98BDF1BA-33D9-4618-8427-AE8F9589B2EB
5
Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao* ny lohasaha.[Heb. hahavonao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A0D36B8-D558-4C17-8DE1-67F427D8D3CE
6
Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97F9C481-D315-45EE-8031-B9444A18729E
7
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC14C6E8-37FA-4007-B43E-A1E53222A91D
8
Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|796CF9E9-EAF5-445B-839A-8305C5B05A0D
9
Hataoko mitebiteby koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE0BFBFD-E2E2-4CF2-B75E-BEF25B79BBE0
10
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9D85EA5-4320-4D37-B79C-1367E3D318F4
11
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AC525C4-404F-400F-9C9F-2DD1D25C2A82
12
Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B1EF1CF-2202-49DB-907F-E3DBFB740C2D
13
Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF0568D7-423F-4E24-A705-C16EDF36224E
14
Dia hahenako* ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na. hampandriko hadio]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23C78161-4BEA-4BBB-B014-15D9AA2C631F
15
Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49928553-5CCC-4137-AFCC-9275A0044DCC
16
Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A0BE3E1-5006-4CBE-A19A-EE1C7F660C00
17
Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|345D7BA2-B4F1-4EAB-9AFB-38EEFE17A241
18
Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D4F18E5-F33D-4C71-9042-5C9D270612FA
19
Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara* amin'izay tsy voafora.[Heb. mandria]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F82DF5F6-4BCC-46AF-AF86-73C0AFA6A0B5
20
Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96127EE9-BA48-47BA-981C-8F03C88083D8
21
Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita* manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.[Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F1D7EF1-7AD4-4108-AACE-3FC3AC877D95
22
Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43E1F8B9-9CC9-4685-855F-FA0F6AB1E0B4
23
Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E11DAB15-0EB6-4905-A970-29B982F2457D
24
Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C803F46C-1947-4F77-81EE-259077CE2686
25
Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E51FDCCB-9915-4D7B-9202-CCAA8A9C887A
26
Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1598C1F1-39A1-40FE-885B-8D0D81E28447
27
Ary tsy hiara-miampatra* amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita** ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[*Heb. mandry][**Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A45560-AB85-4F90-B75B-ADF0C147F933
28
Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra* amin'ny voatrabaky ny sabatra.[Heb. mandry]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36AC8C0-9CDB-4AA9-B924-70B04BA43B2E
29
Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra* amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F128236-75EC-4732-9A0A-068E3BD23270
30
Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra* tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5865CBDD-6C88-4D70-B329-4800D832A8E7
31
Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5943E7A-ADE3-46A4-A3A8-491665930E6A
32
Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy* tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina** ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[*Na. Ahy][**Heb. hampandrina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3A26FC6-188E-4A3A-A26D-F4F31E581921
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany