Andininy
Protestanta Malagasy
7
Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AD7788D-759C-45F7-9226-D750B701190B
8
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7CDC275-B4DE-4A73-A27F-AFEA3CDB0C85
9
dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67BE1BE-85C9-4706-A613-3645B046C66E
10
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DB4F414-603E-48E8-9B18-0AF55A99EB19
11
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2548320-A09C-4C0A-AD1D-4AF494A57FEB
12
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61FF9093-55AF-4B94-99F9-A6BDBE624A71
13
Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|043FDF98-88C9-401B-9A14-1CD1B51D4C8E
14
Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra* no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.[Heb. matavy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|006AC41A-591D-45A2-89F2-232E0747F1E0
15
Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29731BEA-1A57-4EBD-8C3F-CBD1A506712A
16
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C78F1ED-11A7-473D-A296-02DC6EBD6F34
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany