Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01BFB138-8C3A-4E81-BFF2-C21AFE4A29F3
2
ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80529451-8DD0-4DC4-9C46-A91E75757BAA
3
Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8E44569-AE53-4A4A-B406-4B53E6141C4F
4
Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8783F93B-91CC-45ED-9C3C-9907AC97AD57
5
Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|870EDEEC-A81D-4B37-9B32-95A5BEA8C9ED
6
Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0653A96B-0E36-4072-A5E1-5B0F49353D21
7
Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BD71992-30B9-4D95-B715-1827625F16D8
8
Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E8A4A6A-A065-42C0-82FD-EC2AAA7742F1
9
Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6002FBFD-286B-459A-97C2-43670B012B4A
10
Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94352510-0402-4DA3-BF1A-04458D833F07
11
Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89CE3088-82DD-4AD1-9249-D5342DB1D64C
12
Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0C5AAB4-825C-47E8-AF33-FCA9C0596F5B
13
Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A41EC9B8-F99D-4AC1-A1E2-B1DAA4E71E63
14
Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26B0A9C6-A38E-4078-97A0-39660FDB9759
15
Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6BE4305-68C4-4BF9-9AB6-11BFBFD643A6
16
Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71FF7513-FE25-45B7-BB1B-6C6D5103C998
17
Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|626130E9-64DB-4629-A06C-586EBD4C1CDB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany