Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E144C1E6-23ED-4D0B-81F0-9044DCD0E860
2
Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFC35A85-C1B8-45D6-9533-6C678366CFAD
3
Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|973FF89F-83A3-4E6C-8DD5-AC0684ACA715
4
Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7026E9A-66D3-4CB9-BA80-0E0BE58025EF
5
Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EA46034-C62C-456A-A3BB-294C8E9FE8EB
6
Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany*.[Na: ary eran'ny volotara ny sakan'ny tokonana iray koa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|832F59D2-AD7D-4910-BBC1-C007D77F890A
7
Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4BB2A62-410F-4AD8-9F83-B8A6CC160C7D
8
Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8249752-ECC1-409D-98F3-8F410571E701
9
Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9516120-E122-4EBF-87C1-93A66F96F484
10
Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0EC83A6-8C84-4EBA-87EE-A017C7EA1775
11
Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73C11CAE-AFB0-4C08-B780-1409D0C0F96D
12
Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEFCCE31-66FE-4294-8189-69453E75735B
13
Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|859C65DA-565F-4620-9CEC-4A0040334614
14
Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7B56939-37CC-41F5-89FE-A1E45BD48255
15
Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A252AA5E-20F6-4B78-8DB9-C9ABF14CBACB
16
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady*; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia** avokoa.[*Na: sady manodidina azy ny vavahady][**palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10C0B862-10FB-411C-A630-E0AC56BD473F
17
Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F251FFCB-082A-4E93-AFCF-83C532E0C15E
18
Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|728483D4-1E86-49B1-9237-C576539D0813
19
Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C09F594-DD10-4AB3-8199-C9CB2D6EB714
20
An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD5F568A-F3BB-477C-910D-08DE3251A697
21
Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE6B41CE-70B9-42ED-B8DE-B6624EEBA076
22
Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia* taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF221C5C-9111-44D0-8325-1ED9D5D53451
23
Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDEE76B9-57BA-4F09-A3C7-7763258F73E3
24
Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0196C721-240D-4A11-9664-FE3992C203AB
25
Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BC797C9-322A-444B-B8A3-03E918202CF9
26
Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia* iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60619894-75E6-4CCC-B5E4-903212E3C068
27
Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5B5A20-AAF1-4433-A00A-F387D9C1C44A
28
Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A26ADCF5-4082-441D-A111-523F233B9D80
29
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130E90E0-D0B4-4054-9E89-766EAAFB77CF
30
Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07FC987C-A4EA-43BB-919A-E851DA50072E
31
Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F3DBBE8-BD59-4CDD-8C6C-3C8787FEE508
32
Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B98ADDBA-2A32-4F3A-A8D4-26B97F02B39A
33
Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|293FBB8E-D3BB-4E1B-A3A5-27FD56C7C924
34
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4FD9E8F-AE98-4B69-A723-BFF2A9743002
35
Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB4BDD1B-6CEC-44FB-99A1-DE5290A40752
36
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2C07FD-5C59-43C6-814F-3C18775BE2C1
37
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia* teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E515FD34-1939-4D1D-8836-50B8FF9BB629
38
Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFE0D7C5-41D1-43A5-9F9E-C7FA286914B2
39
Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68C7E0B2-A8DA-4C9B-AB9C-A5B1D54AE367
40
Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66E7ADBA-8FCE-4AEC-817F-60C1E253D53D
41
Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CD29ED8-B7CE-483D-802F-500FCEF382E8
42
Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8F3A5E7-578E-4A69-A3E2-07E717BD1BB6
43
Ary nisy fihantonana roa rantsana*, vodivoam-pelatanana ny halavany**, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[*Na: nisy filirany][**Na: ny habeny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E462EA6D-E6E6-4B50-9DA6-68FFB98218A9
44
Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B887D176-E3E3-4C48-8986-03695C15BEC8
45
Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|447E1F83-1BC8-45ED-BB53-53130C8BFF24
46
Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32FC6F32-3D24-44FB-A5E1-6EE07BBF386E
47
Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C1C5980-E897-480E-A348-E31A213E98BE
48
Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6681775D-7C57-48C2-A134-CCD4C20D7169
49
Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A96916-C7C4-4476-B365-BC1EBED076C5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany