Daniela 12: 5-13

Andininy
Protestanta Malagasy
5
Dia nijery aho Daniela, ka, indro, nisy roa hafa koa nitsangana ny anankiray teto amoron'ny ony, ary ny anankiray kosa teroa an-dafiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0327FE79-EF20-4735-916D-BBA08889E9AE
6
Ary hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran'ireo fahagagana ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4057E999-83BB-497C-B9B2-0303F4B2B2CB
7
Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49A912FB-8D72-4C49-9221-B89EF9EFA246
8
Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A40579D2-2800-47FB-87C5-C60AC3250ED1
9
Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|979786CE-FE45-46BA-927B-1C2D6F1E9719
10
Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A31365A-0312-4D9A-93CE-0768CF5421E2
11
Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8E73DEE-8C22-4AE7-95A1-F42BC6F7E9F9
12
Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|638EBFB2-4E69-4B13-8EAB-E7AC45C23842
13
Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1088D449-BED3-479D-B6AE-BFA3214FC831
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany