Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|252616DB-4339-4EF2-869B-6A0EE2372783
2
Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C23C0DB1-4E88-4175-B0DD-8013C852402E
3
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA4D06C-910E-48B0-872B-8472AEA22B02
4
Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E111C8AE-272B-4295-9DD0-46C7831675FF
5
Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CBF7E30-33DC-4438-961D-85977CBACFAE
6
Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0A635DF-4CA2-40C7-AC79-13EB9164ED5F
7
Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8173B8FF-9565-41E8-9BAB-6CE94D4C0A9E
8
Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E565B86-CF1B-4558-8918-2D7EC9ABEBBA
9
Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABBA2C59-BF0B-4182-A2E6-F0ECCA82D6E7
10
Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona ety ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin*'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|875C0540-7D6F-41C9-B77E-59C24FFA580D
11
Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5769B534-86FB-420E-818C-1D3243B8A008
12
Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9D031CD-9CBE-40DE-B230-104D99D3F9B6
13
Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB232138-08BA-4BB3-971B-1990B8ABAF65
14
Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0315C66-F99D-47A9-9F98-C869166BA236
15
eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4D2B438-B13D-43D1-8234-EEA94422E539
16
Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C3DCAA9-29B4-4578-9367-B4BE3FE14FC3
17
Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF7677C-32A7-40DC-81A8-7F7D4FC7FF19
18
mba hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60E28971-8C85-408C-B102-8B623916A802
19
Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F58AA5A5-92A6-43C0-BC61-13B3CE545C04
20
Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CD6B790-D04D-447C-ACFA-EFD77795C648
21
Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B579F9F9-A22E-4D87-B7C1-1EA54F30077C
22
Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E929E88-C91D-4C70-A424-5CB31BF76B97
23
Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B79B6E16-5D83-49F9-802D-4230A30A3790
24
Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2D5CB6-E73A-438F-BC1D-CF85D9C0B7A9
25
Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF29E9C4-4293-412F-943F-E4165F6A78C9
26
Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B83D54D-0262-4085-A7DB-6FC2FBE13C0F
27
Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABA4727B-A86A-401C-96EF-270AF2C0386F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany