Andininy
Protestanta Malagasy
17
Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF7677C-32A7-40DC-81A8-7F7D4FC7FF19
18
mba hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60E28971-8C85-408C-B102-8B623916A802
19
Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F58AA5A5-92A6-43C0-BC61-13B3CE545C04
20
Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CD6B790-D04D-447C-ACFA-EFD77795C648
21
Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B579F9F9-A22E-4D87-B7C1-1EA54F30077C
22
Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E929E88-C91D-4C70-A424-5CB31BF76B97
23
Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B79B6E16-5D83-49F9-802D-4230A30A3790
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany