Andininy
Protestanta Malagasy
24
Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB2D5CB6-E73A-438F-BC1D-CF85D9C0B7A9
25
Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF29E9C4-4293-412F-943F-E4165F6A78C9
26
Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B83D54D-0262-4085-A7DB-6FC2FBE13C0F
27
Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABA4727B-A86A-401C-96EF-270AF2C0386F
28
kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|978C4497-4FC8-4CE5-B784-25188EAC2EF8
29
Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6982FF46-75F2-4130-A721-F8D6A3280425
30
Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC19AD6E-FCA4-4563-AA5C-89CA6808FD61
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany