Andininy
Protestanta Malagasy
19
Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E54C7FF-8FA6-44D7-B0A0-2E901605D783
20
Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6744CCA4-B97C-4A93-BC68-23EBE94B3983
21
Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapotiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACBBC2F6-191D-4A04-9DB8-A1DF8D6B9992
22
ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D86A13CE-B3AA-4141-9C1F-E24FDC68F6E6
23
Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79B9BFA6-4CFC-484D-8061-9D81387A03F6
24
Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6B1CA53-66CB-4B49-92F4-46B0C62BAFEE
25
Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD2F4949-BDD9-4A2D-8A68-3E1B5CE06662
26
Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia aty. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|238AAC46-0B08-49BA-BAE4-E368B6247F8E
27
Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EAED7BB-BC91-498A-9069-DD4FC2440E9A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany