Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9976E9B-5F04-40C6-B18C-363BDF11DF84
2
Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BDD23CB-B6E3-4458-B9E7-4623A0914A93
3
Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26108EF4-689F-422E-A350-8EEB193583A8
4
Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FAE01C3-4DA3-488F-A244-B20139DF154F
5
Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35308D5C-908B-4363-B241-91EAF76836A9
6
Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4568B67-8587-432A-86A7-1A7C88ECFED1
7
Fa izao no fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA7A04F6-B7B1-4EF1-8D4C-BA9B9CC7E733
8
Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9991DF78-7201-4591-A28D-CB02FD8E2E2D
9
Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27DB6ECB-185C-410C-AC88-F8C68C6A9CAE
10
Nijery tamin'ny fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0FB7636-3323-43C8-8C4C-3F9DE4096E12
11
Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC76709C-2CE8-4517-A086-6A346C47A35D
12
Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90F3966D-734A-4F6F-B932-A3B66D009201
13
aoka hovana ny fony tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr'andro fito no holanina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F631D6B2-9459-4706-BD1B-3AAC3AD148CA
14
Didin'ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE55092-CA3F-47C8-A39D-A360EDBC910F
15
Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|737152B4-0B80-453A-9AB7-60F3BAF92491
16
Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF149AEC-C595-40F8-BF28-7D4E64A31377
17
Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|756A96C1-E628-4CA2-842E-8FB9B1105BA1
18
ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny voro-manidina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D41ACC4-C18F-488F-950F-C418F1D5AD47
19
ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1522C3EC-FE6B-4AD1-A56E-6DA29C18A105
20
Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|854BEBE8-0F57-49BE-A0C0-25ECE7B03E0D
21
izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy mpanjaka:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F89F789-152F-47B8-9C2C-5FF95F4AED4E
22
Horoahina hiala amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D912F28F-9B62-4CE1-B5F0-26A5048F67F7
23
Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|360EDE26-FF9D-42CA-9FD6-19203EFFF2D9
24
Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra* ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78963FE0-F88F-4DCD-B1BE-320164C50505
25
Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B22E51E0-9674-438C-808D-401FE9BD7030
26
Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2A18679-6AA2-42DF-9EC5-DCA3B952D1CE
27
Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB70839-7E24-4A83-AFD3-A47553DFFCC8
28
Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21F804D4-100B-4BEB-BC9B-14DAC4D251EF
29
Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2F36780-3B0C-4690-8242-01A471D71AC1
30
Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D61B7C91-349A-45A4-8D6A-7C53DC3A910B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany