Andininy
Protestanta Malagasy
1
Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no nisotroany divay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|809C1688-41AC-4E67-ACFE-F7BF2552FC0F
2
Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEEBE76B-8FC0-482A-AB37-35A41BA24CAA
3
Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34276243-DEEF-49AC-B48C-2819D880E4FF
4
Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09930D92-850D-4D41-85E7-EBF5A1489165
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany