Andininy
Protestanta Malagasy
13
Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB07B47B-5EB3-48B0-8E18-532CF2DBE4DD
14
Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|103EF4CD-23E2-4A5B-B49B-E9549253C009
15
Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DA4842D-2E01-406D-B773-79973E250FE0
16
ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F158E61-DC51-453B-9E77-618B94F1FA05
17
Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFAF9204-EA24-45F1-9D34-F973E9266D7E
18
Ny aminao, ry mpanjaka รด, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6B7F01E-B261-49E7-B1C6-A845A8924C84
19
ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ECAAE4D-636D-4F33-B3A8-F9709D1AA739
20
Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3980AB62-4E39-40CE-BE49-5AFFEF75F9A5
21
dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD2548C7-E9CC-4A68-9B85-4462196AEBC1
22
Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC44813-A354-4D58-8C98-55C8345D4F01
23
fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64362C82-8641-4600-98F5-7622A1F82555
24
Ary noho izany dia Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4F69868-3812-4982-9109-5EA8A0062098
25
Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina*.[Oparesina = sy Paresina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FDD5F46-CBC4-4204-AE47-5823529A8831
26
Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|527E146B-08D7-49C4-BA7F-B0D416388B63
27
Tekela, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0819836-91CD-4424-A9ED-A754D2D714A7
28
Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FE2ABBC-C437-465D-865F-7AA8A646BA0A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany